Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 39:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Kanjo nanenjika azy ny tafika babilônianina ka nahatratra an’i Tsedekià tao amin’ny lemak’i Jerikao. Dia nisambotra ity mpanjaka izy ary nitondra azy tany amin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, tanin’i Hamata, tamin’izany fotoana izany. Tao no namoahan’i Nebokadnetsara didim-pitsarana hamelezana an’i Tsedekià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Nanenjika azy anefa ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; ary nony azony izy dia noentiny niakatra ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao Ribla tao amin’ny tany Hamata; dia notsarainy tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Kanjo nanenjika azy ny tafika babilônianina ka nahatratra an’i Tsedekià tao amin’ny lemak’i Jerikao. Dia nisambotra ity mpanjaka izy ary nitondra azy tany amin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, tanin’i Hamata, tamin’izany fotoana izany. Tao no namoahan’i Nebokadnetsara didim-pitsarana hamelezana an’i Tsedekià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina anefa izy ireo, ary tratrany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa. Dia noraisin’izy ireo izy ka nentiny niakatra ho any amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa ny miaramilan’ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tao Ribla tao amin’ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Nanenjika azy anefa ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; ary nony azony izy dia noentiny niakatra ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao Ribla tao amin’ny tany Hamata; dia notsarainy tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 39:5
26 Rohy Ifampitohizana  

Ren’i Tôhỳ, mpanjakan’i Hamata, fa resin’i Davida avokoa ny tafik’i Hadadehezera;


Fa nitondra olona avy tany Babilôna sy Kotà na avy tany Havà sy Hamata ary Sefarvaîma ny mpanjakan’i Asiria mba hapetrany amin’ireo tanànan’i Samaria hisolo ny Israelita izay voasesitany; ireo no nahazo ny faritr’i Samaria ho fananany ka nitoetra tamin’ny tanànany.


Nogadrain’ny Farao Nekao tany Riblà any amin’ny tanin’i Hamata izy mba tsy ho afa-manjaka any Jerosalema intsony; ary nampandoavin’io Farao io sazy volafotsy telo taonina sy volamena telopolo kilao ny fanjakan’i Joda.


Rehefa voasambotra ny mpanjaka, dia nentina tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, ary namoahana didim-pitsarana.


Dia nasain’ny TOMPO ho tonga hamely azy ny mpitari-tafiky ny mpanjakan’i Asiria; ary nosamborin’ireo i Manase ka nasiany masombỳ sady nogadrany rojo halimo ary nentiny nankany Babilôna.


Nitsoaka nandositra ireo mpitari-tafikao, azo babo noho ny tifitra tsipîka izy. Nataon’ny fahavalo sambo-belona avokoa izay hitany, hatramin’ireo efa nitsoaka nandositra lavitra aza.


Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»


Fa ny amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny mbamin’ireo mponina sisa tavela ao Jerosalema ary koa ireo olona tsy niala teo amin’ity tany ity sy ireo lasa nipetraka tany Ejipta, dia izao no lazain’ny TOMPO: Hataoko toy ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.


Fa raha tsy manaiky hitolo-batana amin’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna kosa ianao, dia hatolotro eo an-tanan’ny Babilônianina ity tanàna ity ka hodorana amin’ny afo; ary ianao tsy ho afa-mandositra azy akory.»


Eny, ny vadinao rehetra mbamin’ireo zanakao lahy dia hoentina any amin’ny Babilônianina, ary ianao koa tsy ho afaka amin’ny tanany; hataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona ianao ary noho ny aminao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo.


fa rivotra mahery izay nirahiko avy any, ka hanambaràko ankehitriny ny didim-pitsarana hamelezako azy.»


Ary izao lazaiko izao no famantarana: Indro hatolotro eo an-tanan’ireo fahavalo mitady hahafaty azy ny Farao Hôfrà mpanjakan’i Ejipta tahaka izay nanolorako an’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ho eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay fahavalo nitady hahafaty azy.»


Fanambaràna ny amin’i Damasy. Very hevitra ny ao Hamata sy Harpada! Kivy izy fa nandre ny vaovao ratsy. Manahy sy mitebiteby ny fony ka tsy azo notonena.


Difotry ny fahoriana sy vesaram-panompoana no lasan-ko babo ny fokon’i Joda. Mitoetra any amin’ny hafa firenena izy izao kanefa tsy mahita hifaharana. Izay rehetra mpanenjika azy dia nahatratra azy an-katerena.


Ilay niankinan’ny fiainanay, ilay mpanjaka nohosoran’ny TOMPO ka mba efa nilazanay hoe: «Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana eo anivon’ny firenen-kafa», dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!


Ho tonga avy any avaratra izy, miaraka amin’ny kalesy sy fitaovana isan-karazany ary koa tafika goavana hamelezana anao. Hanemitra anao izy, mitondra ampinga lehibe sy kely ary fiarovan-doha; hoentiko eo anatrehany ny raharahanao ary hotsarainy araka ny fitsipiny ianao.


Mahatsiravina sy mahatahotra izy, fa ny tenany ihany no fenitra ipoiran’ny zony amam-pahefàny.


Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin’ny taniefitr’i Tsina ka hatrany Rehôba akaikin’i Lebô-Hamata.


Ao ihany koa ny faritanin’i Gebala sy i Libano atsinanana manomboka hatreo Bahala-Gada eo am-pototry ny tendrombohitra Hermôna ka hatrany Lebô-Hamata.


Tokony ho efatra alina ireo miaramila vonon-kiady no nita an’i Jôrdàna teo anatrehan’ny TOMPO ho any amin’ny tany lemak’i Jerikao.


Dia nitoby tao Gilgala ny Israelita, teo amin’ny tany lemaka akaikin’i Jerikao, ka nankalaza ny Paska fony harivan’ny andro faha-14 tamin’io volana io.


Koa ireto avy àry ireo firenen-kafa ireo: ny mponina tamin’ny fanjakana dimin’ny Filistinina, ny Kanahanita rehetra, ny Tsidônianina, ary ny Hivita izay nipetraka tany amin’ny tendrombohitra Libano, manomboka hatreo an-tendrombohitra Bahala-Hermôna ka hatrany Lebô-Hamata.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra