Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 39:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Raha vao nahita izany i Tsedekià mpanjaka sy ireo rehetra miaramilany, dia nandositra. Tamin’ny alina no niala tao an-tanàna izy, ka namakivaky ny zaridainan’ny mpanjaka, izay nandalo tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary rehefa nahita ireo i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny miaramilany rehetra, dia nandositra ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanjaka, tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Raha vao nahita izany i Tsedekià mpanjaka sy ireo rehetra miaramilany, dia nandositra. Tamin’ny alina no niala tao an-tanàna izy, ka namakivaky ny zaridainan’ny mpanjaka, izay nandalo tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nony nahita azy ireo i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehilahy mpiady rehetra, dia nandositra sy nivoaka ny tanàna tamin’ny alina, nihazo ny lalan’ny zaridainan’ny mpanjaka, teo amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa izy, dia niditra ny lalana mankany amin’ny tany lemaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny làlana mankamin’ny sahan’ny mpanjaka, tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny mànda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ny làlana mankeny amin’ny tani-hay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary rehefa nahita ireo i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny miaramilany rehetra, dia nandositra ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanjaka, tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 39:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an-Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.


Nanamboatra dobon-drano teo anelanelan’ny manda roa ianareo mba halehan’ny rano mihoatra avy amin’ny fitobian-drano taloha. Nefa tsy mba nojerenareo akory Ilay nanao izao toe-javatra izao; efa nanomana izao hatry ny ela Izy saingy tsy hitanareo.


Nitsoaka nandositra ireo mpitari-tafikao, azo babo noho ny tifitra tsipîka izy. Nataon’ny fahavalo sambo-belona avokoa izay hitany, hatramin’ireo efa nitsoaka nandositra lavitra aza.


dia hampahorîko ianao, hoy ny Tompo, ka alahelo sy fahoriana lalina no hanjo anao, ary ho tonga «ariela»-n’ny alitara ianao amiko.


Ary na dia i Tsedekià mpanjakan’i Joda aza dia tsy ho afa-mitsoaka amin’ny Babilônianina fa hatolotra tokoa amin’ny mpanjakan’i Babilôna. Tsy maintsy hiseho eo anatrehan’i Nebokadnetsara izy ka hifandahatra aminy mivantana.


Dia hoentina any Babilôna i Tsedekià, ka hijanona any saingy hokarakaraiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa na dia hanohy hiady amin’ny Babilônianina aza ianareo, dia tsy haharesy azy.»


Izay andriamanjaka eo aminy dia hitondra ny entany an-tsoroka rehefa maizimaizina ny andro ka hivoaka ny tanàna. Hogorobahana eo amin’ny manda mba hamoahana azy, ka hisarona endrika izy mba tsy hahita izay tany halehany.


Amin’ny antoandro sady eo imasony no hamoahanao ny entanao avy ao an-tranonao toy ny entan’ny babo anankiray; ary amin’ny hariva kosa ianao no hiainga tahaka ny olona hankany am-pahababoana.


Dia hohandriniko ianareo ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo; ireo mpankahala anareo no hanapaka anareo; ary handositra ianareo, na dia tsy misy mpanenjika aza.


«Izay sisa velona aminareo, any amin’ny tanin’ny fahavalony any, dia hampidirako fahareraham-po ka na ny fipikan’ny ravinkazo anankiray paohin-drivotra aza dia hampandositra azy; handositra ireo toy ny mandositra fahavalo mitan-tsabatra, ary ho lavo ireo na dia tsy misy mpanenjika aza.


Ka ny haingam-pandeha tsy hahita fierena, ny matanjaka tsy afaka hampiasa ny heriny, ary ny miaramila voafantina tsy hahavonjy ny tenany.


Hatolotry ny TOMPO horesen’ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra