Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 39:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Tao koa no nampamonoany ho faty ireo zanak’i Tsedekià roa lahy teo imason-drainy sy ireo andrianan’i Joda rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla teo imason’ny rainy; ny manankaja rehetra tamin’ny Joda koa dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Tao koa no nampamonoany ho faty ireo zanak’i Tsedekià roa lahy teo imason-drainy sy ireo andrianan’i Joda rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ireo zanaka lahin’i Sedesiasa novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imasony, tao Reblà; ny lehibe rehetra tamin’i Jodà, novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin’ny Joda koa dia novonoin’ny mpanjakan’i Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla teo imason’ny rainy; ny manankaja rehetra tamin’ny Joda koa dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 39:6
19 Rohy Ifampitohizana  

dia lasa izy nipetraka tandrifiny tery lavidavitra tokony ho tratry ny zana-tsipîka, fa hoy izy anakampo hoe: «Aza hitako anie izay hahafatesan’ny zaza.» Fony nipetraka tandrifin’ny zaza izy, dia nanandra-peo nitomany.


Fa tsy afaka hiverina any amin’i dada aho, raha tsy miaraka amin’io zatovo io satria tsy ho zakako ny hahita an’i dada hiharan-doza.


Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an’i Jerosalema.› » Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.


Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià. Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo izy ka nentina nankany Babilôna.


Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy mba hahita maso ny loza rehetra hamelezako ity tanàna ity sy ny mponiny.» Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.


Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?


Hotorotoroina eo imasony ny zanany madinika ary horobaina ny tranony sady hosavihina ny vadiny.


Tsy hisy andriana intsony hifidy mpanjaka sady ho foana avokoa ny filohany rehetra.


Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.


Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»


Ary tsy ho afa-miala aminy ianao, fa ho azo sambo-belona ka hatolotra azy. Tsy maintsy hifanatri-maso aminy ianao ka hamaly azy mivantana alohan’ny hankanesanao any Babilôna.


Eny, ny vadinao rehetra mbamin’ireo zanakao lahy dia hoentina any amin’ny Babilônianina, ary ianao koa tsy ho afaka amin’ny tanany; hataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona ianao ary noho ny aminao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo.


Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià; ary tao Riblà koa no namonoana ho faty ireo mpiasam-panjakana jodeanina.


Ho tonga avy any avaratra izy, miaraka amin’ny kalesy sy fitaovana isan-karazany ary koa tafika goavana hamelezana anao. Hanemitra anao izy, mitondra ampinga lehibe sy kely ary fiarovan-doha; hoentiko eo anatrehany ny raharahanao ary hotsarainy araka ny fitsipiny ianao.


Ondry voafantina no akao ny hena. Ary tohofy kitay ao ambanin’ny vilany; dia ampangotrahy tsara ireo rehetra ireo, satria handrahoina ihany koa ny taolana.›


Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO: «Amin’izany andro hanaovako sorona izany dia hofaiziko ny mpitondra sy ny zanaky ny mpanjaka ary izay rehetra manaraka fomba fitafy vahiny.


Dia hanjary adala ianareo eo am-pijerena ny zavatra izay ho hitan’ny masonareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra