Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 19:35 - DIEM PROTESTANTA

Ireo tanàna mimanda kosa dia i Tsidima, i Tsera, i Hamata, i Kinereta,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny tanàna mimanda dia i Zidima, i Zera, i Hamata, i Rakata, i Kinereta,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo tanàna mimanda kosa dia i Tsidima, i Tsera, i Hamata, i Kinereta,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny tanàna mimanda dia i Asedima, i Sera, i Emata, i Rekata, i Kenereta,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny tanàna mimanda dia Zidima sy Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny tanàna mimanda dia i Zidima, i Zera, i Hamata, i Rakata, i Kinereta,

Jereo ny toko



Josoa 19:35
14 Rohy Ifampitohizana  

ny Arvadita sy ny Tsemarita ary ny Hamatita. Taorian’izany dia niparitaka ireo foko kanahanita,


Tamin’io volana fahafito io koa no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta. Koa nankalaza fety teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro indroa: izany hoe 14 andro.


Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.


Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin’ny taniefitr’i Tsina ka hatrany Rehôba akaikin’i Lebô-Hamata.


Avy eo an-tendrombohitra Hôra, dia ny lalana mankany Lebô-Hamata no hamaritanareo azy, ary hipaka any Tsedada.


Ary nony tafita ny rano i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia tonga tao amin’ny faritanin’i Genesareta, ka niantsona teo.


nomeko azy ireo koa i Harabà, ka ny ony Jôrdàna no sisintany, manomboka ao Kinereta ka miafara amin’ny Ranomasin’i Harabà, dia ny Ranomasina Maty, eo am-bodin’ny tendrombohitra Pisgà izay ao atsinanany.


Nandefasany iraka ihany koa ireo mpanjaka izay any an-tendrombohitra any avaratra sy ireo mpanjaka tany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna eo atsimon’ny farihin’i Genesareta, ary ireo mpanjaka teny amin’ny lemak’i Sefelà sy teny amoron-tsiraka akaikin’i Dôra ao andrefana.


Tany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna kosa dia nisy an’i Bety-Harama sy i Bety-Nimrà ary i Sokôta sy i Tsafôna, izany hoe ny sisa amin’ny fanjakan’i Sihôna izay nanjaka tao Hesbôna: tao andafy atsinanan’i Jôrdàna no misy izany faritany izany, ka mipaka hatrany amin’ny farihin’i Genesareta any avaratra.


Eo andrefan’i Helefa kosa dia mihodina mankany Aznôta-Jabôra ilay sisin-tany ary mandroso hatrany Hakôla. Miolotra amin’ny tanin’i Zebolòna kosa ny sisin-tany, lafy atsimo; miolotra amin’ny tanin’i Asera ny sisin-tany, lafy andrefana; ary i Jôrdàna no sisin-tany, lafy atsinanana.


i Adamà, i Ramà, i Hatsôra,


Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.


Avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ dia i Kedesa any Galilea, izay tanàna fialofana, i Hamôta-Dôra ary i Kartàna: izany hoe tanàna telo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.


Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.