Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.»
Jeremia 39:16 - DIEM PROTESTANTA «Mandehàna lazao amin’i Hebeda-Melèka etiôpianina hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro efa nambarako tamin’ny mponin’ity tanàna ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mandehana ka lazao amin’i Ebeda-Meleka kosita hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao ireo amin’izany andro izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Mandehàna lazao amin’i Hebeda-Melèka etiôpianina hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro efa nambarako tamin’ny mponin’ity tanàna ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany. Baiboly Katolika Mandehana ianao milaza amin’i Abdemeleka Etiôpianina hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hanatanteraka ny teniko momba ity tanàna ity, hampahita loza fa tsy hanasoa, ary dia ho eo imasonao androtr’izay ihany izany. Baiboly Protestanta Malagasy Mandehana, ka lazao amin’i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin’izany andro izany. Malagasy Bible Mandehana, ka lazao amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro izany. La Bible en Malgache Mandehana ka lazao amin’i Ebeda-Meleka kosita hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao ireo amin’izany andro izany. |
Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.»
Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.
–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»
Nisy mpaminany iray hafa koa niteny tamin’ny anaran’ny TOMPO, dia i Orià zanakalahin’i Semahià sady avy any Kiriata-Jeharima. Nanambara ny hamelezana an’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda koa izy tahaka ny hafatra rehetra efa nataon’i Jeremià.
saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan’i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»
Hirotsaka an-tsehatra hamely azy sy ny taranany ary ny manamboninahiny Aho noho ny heloka nataony. Hampihariko aminy sy amin’ny mponina eto Jerosalema ary amin’ny olon’i Joda ny loza rehetra izay efa nambarako taminy nefa tsy nahoany akory.› »
Ary ankehitriny dia notanterahin’ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
Indro himasoako aminareo ny hahatonga loza fa tsy soa. Koa ny Jodeanina rehetra izay atỳ Ejipta dia ho ringan’ny ady sy ny mosary mandra-pahalany ritra azy.
Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao: «Noho izany tenin’ireo vahoaka ireo izany, dia hataoko ho toy ny afo ny teniko izay ampitondraiko anao, ry Jeremià; ity firenena ity kosa dia ho toy ny kitay ka holevonin’izany afo izany.
Ary notanterahinao, Andriamanitra ô, ny teny nambaranao hamelezana anay sy ny mpitondra izay nitondra anay, ka nahatonga taminay tao Jerosalema loza lehibe izay tsy mbola nisy tahaka izany taty ambanin’ny lanitra.
na ho lasan-ko babo eo anatrehan’ny fahavalony aza ireo, dia homeko baiko ny sabatra handringana azy any. Tapa-kevitra Aho tsy hahatonga soa ho azy fa hahatonga loza.»
Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»