Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 26:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Nisy mpaminany iray hafa koa niteny tamin’ny anaran’ny TOMPO, dia i Orià zanakalahin’i Semahià sady avy any Kiriata-Jeharima. Nanambara ny hamelezana an’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda koa izy tahaka ny hafatra rehetra efa nataon’i Jeremià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Nisy lehilahy iray izay koa naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO, dia i Oria, zanak’i Semaia, avy any Kiriata-Jearima, izay naminany loza ho amin’ity tanàna sy ity tany ity araka ireo teny rehetra nataon’i Jeremia teo ireo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Nisy mpaminany iray hafa koa niteny tamin’ny anaran’ny TOMPO, dia i Orià zanakalahin’i Semahià sady avy any Kiriata-Jeharima. Nanambara ny hamelezana an’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda koa izy tahaka ny hafatra rehetra efa nataon’i Jeremià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Nisy lehilahy anankiray koa, naminany tamin’ny Anaran’i Iaveh, dia i Oria, zanak’i Semeià, avy any Kariatiarima; izay novinanin’i Jeremia indrindra no novinaniny, hanjò an’ity tanàna ity, sy ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin’ny anaran’i Jehovah, dia Oria, zanak’i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin’ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon’i Jeremia izany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 26:20
9 Rohy Ifampitohizana  

Velona ny TOMPO Andriamanitrao ka hizingiziniko aminao fa tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’i Ahaba olona hitady anao; ary raha misy manao hoe: «Tsy atỳ aminay izy», dia nasainy nianiana ho tsy nahita anao izany fanjakana sy firenena izany.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO tahaka izay nataon’ireo razany izy.


Nikapoka anareo toy ny zanako Aho, fa tsy nahoanareo akory izany; tsy zaka nanarina ianareo. Tahaka ny liona namiravira no namonoanareo ny mpaminany ho fatin’ny sabatrareo.


Dia hoy ireo mpitondra fanjakana ambony tamin’i Baròka: –Mandehàna miafina ianao sy i Jeremià, ka aoka tsy hisy hahalala izay misy anareo!


Tao koa i Kiriata-Bahala izay nantsoina hoe Kiriata-Jeharîma, ary i Rabà; izany hoe tanàna roa miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


Ao andrefan’io tendrombohitra io no miolaka ny sisin-tany ka mihodina mianatsimo ary miafara ao Kiriata-Bahala (antsoina koa hoe Kiriata-Jeharima), izay tanànan’ny taranak’i Joda. Izany no sisin-tany lafy andrefana.


Dia niainga ny Israelita; ka nony afaka telo andro, dia tonga tany an-tanànan-dry zareo, izany hoe tao Gibehona sy Kefirà ary Beerôta sy Kiriata-Jeharima.


Dia nandefa iraka ho any amin’ny mponin’i Kiriata-Jeharîma izy ireo mba hilaza aminy hoe: –Naverin’ny Filistinina ilay Vatamasin’ny TOMPO, koa tongava ianareo hampiakatra azy ho any aminareo.


Hatramin’ny nitoeran’ny Vatamasin’ny TOMPO tany Kiriata-Jeharîma, dia andro maro no nifandimby, efa roapolo taona izao. Nalahelo te hiverina amin’ny TOMPO ny Israelita rehetra


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra