Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 26:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Fa raha nandre ny tenin’i Orià i Jôiakima mpanjaka sy ireo mpiambina azy ary ny mpitondra rehetra, dia nitady hahafaty azy. Ren’i Orià izany, dia natahotra izy ka nandositra tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary nony ren’i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ary ireo komandiny rehetra ny teniny dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka. Nony nandre izany i Oria dia natahotra ka nandositra ary tonga tany Ejipta;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Fa raha nandre ny tenin’i Orià i Jôiakima mpanjaka sy ireo mpiambina azy ary ny mpitondra rehetra, dia nitady hahafaty azy. Ren’i Orià izany, dia natahotra izy ka nandositra tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Nandre ny teniny i Jôakima mpanjaka, mbamin’ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany i Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary nony ren’i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary nony ren'i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary nony ren’i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ary ireo komandiny rehetra ny teniny dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka. Nony nandre izany i Oria dia natahotra ka nandositra ary tonga tany Ejipta;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 26:21
15 Rohy Ifampitohizana  

Velona ny TOMPO Andriamanitrao ka hizingiziniko aminao fa tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’i Ahaba olona hitady anao; ary raha misy manao hoe: «Tsy atỳ aminay izy», dia nasainy nianiana ho tsy nahita anao izany fanjakana sy firenena izany.


Dia tezitra sy nisafoaka tamin’ilay mpahita i Asà noho izany ka nampiditra azy am-ponja. Ary nisy olona sasany koa nampahorîn’i Asà tamin’izay fotoana izay.


Dia nanao teti-dratsy nanohitra an’i Zakarià ny vahoaka, ary nitora-bato azy tao an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO, araka ny baikon’ny mpanjaka.


Hatenda lalandava izao ny aiko, nefa tsy hadinoko ny lalànanao.


Mampidi-doza ny fahatahorana olona; fa izay matoky ny TOMPO kosa no voaaro.


Nony ren’ireo mpitondran’i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan’ny mpanjaka hankao an-tranon’ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.


fa vao mainka aza nomeny baiko i Jerahimèla, andriana zanakalahin’ny mpanjaka, sy i Seraià zanakalahin’i Hazriela sy i Selemià zanakalahin’i Habdèla mba hisambotra an’i Baròka mpanoratra sy i Jeremià mpaminany; saingy ny TOMPO efa nanafina azy roa lahy.


Rehefa nandre izany ireo manamboninahitra ireo, dia niteny tamin’i Tsedekià mpanjaka hoe: –Takînay ny hamonoana ho faty an’i Jeremià, satria manakivy tanteraka ny miaramila sy ny mponina sisa ao an-tanàna izy. Tsy mba mitady izay hahatsara ny vahoaka io lehilahy io fa ny hanampy trotraka ihany.


Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak’olona.


Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.


Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay mahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy no hahavonjy azy.


Dia nifofo ny ain’i Jôhany i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka jiosy, satria noheverin-dry zareo ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.


Dia nanao otri-po tamin’i Jôhany i Herôdiada ka nifofo ny ainy, saingy tsy afa-nanoatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra