Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary ankehitriny dia notanterahin’ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 NY TOMPO no nahatonga izany ka nanatanteraka araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’NY TOMPO sy ny tsy nihainoanareo ny feony; izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary ankehitriny dia notanterahin’ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Notanterahin’i Iaveh izay efa voalazany, satria nanota tamin’i Iaveh ianareo sy tsy nihaino ny feony, ka dia tonga taminareo izao zavatra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony,–dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 NY TOMPO no nahatonga izany ka nanatanteraka araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’NY TOMPO sy ny tsy nihainoanareo ny feony; izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; ary nafoinao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony ka ireo no nanjakazaka taminy. Dia nitaraina taminao indray izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary novonjenao imbetsaka izy satria be fiantra Ianao.


Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay; satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.


Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.


Firenena maro no handalo eo akaikin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: inona no antony nahatonga ny TOMPO hamely ity tanàna ity tahaka izao?


«Mandehàna lazao amin’i Hebeda-Melèka etiôpianina hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro efa nambarako tamin’ny mponin’ity tanàna ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany.


Izao loza izao no mihatra aminareo dia noho ny nanoloranareo zava-manitra mifangaro ho an’ny andriamani-kafa sy nanotanareo tamin’ny TOMPO: tsy nihaino izay nolazainy taminareo manko ianareo sady tsy nanaraka ny lalànany sy ny didiny ary ny fampitandremany.


Izay fahavalo rehetra nahita azy dia nandripaka azy avokoa sady nanao hoe: «Tsy misy mahadiso antsika izao, satria ireo no meloka eo anatrehan’ny TOMPO izay fonenam-pamonjena sy fanantenan-drazany.»


Nataon’ny TOMPO izay efa nosaintsaininy, notanterahiny izay nambarany, dia izay efa notapahiny hatry ny ela: nandravarava Izy ka tsy niantra. Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao ary nampiakatra ny reharehan’ny mpandrafy anao.


Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran’Andriamanitra no avosanao ho an’ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan’Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,


Fantatsika kosa fa izay rehetra voalaza ao amin’ny lalàna dia voalaza ho an’izay eo ambanin’io lalàna io. Noho izany, dia tsy hisy hanan-kalahatra eo anatrehan’Andriamanitra; ary izao tontolo izao no hiaiky fa diso eo anoloany.


kanjo nandeha nanompo andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehan’ireny andriamanitra tsy fantany sady tsy navela hotompoiny ireny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra