Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary indro, ankehitriny vahàko izao ny gadra amin’ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao ny hiaraka amiko hankany Babilona dia andao fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babilona dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ary ianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin’ny tananao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilôna, dia andeha fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilôna, dia aoka tsy hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin’izay heverinao ho tsara sy mety.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin’ny tànanao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara hianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no alehao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary indro, ankehitriny vahàko izao ny gadra amin’ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao ny hiaraka amiko hankany Babilona dia andao fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babilona dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:4
8 Rohy Ifampitohizana  

Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.


Ary hoy i Abimelèka tamin’i Abrahama: –Indro mivoha ho anao ny taniko, koa mipetraha amin’izay mahafinaritra ny masonao.


Dia nilaza taminay ianao hoe: «Ento aty amiko izy, fa tiako ho hita.»


ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin’izy ireo, dia tendreo ho lehiben’ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.


ary hoy izy tamin’i Hamàna: –Afoy ho anao ny volafotsy; ary hatolotra anao koa izany firenena izany hanaovanao azy araka izay sitrakao.


Fa novalian’i Jeremià hoe: –Lainga izany, tsy miandany amin’ny Babilônianina aho. Nefa tsy nino izany i Jirià fa nisambotra an’i Jeremià ary nitondra azy ho any amin’ny lehibeny.


Nofefeny manodidina aho tsy ho afa-nivoaka; nataony mavesatra ny gadrako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra