Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 26:18 - DIEM PROTESTANTA

18 –Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 I Mika morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ary niteny tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: «I Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Trano dia ho tonga toy ny havoana voarakotra ala» (Mik 3.12).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 –Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 i Mikea avy any Môresheta dia naminany, ka nilaza tamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly i Siôna; hanjary antontan-java-drava i Jerosalema ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Mika Morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka nanao tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: ,,Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala’’ (Mik. 3.12).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 I Mika morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ary niteny tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: «I Ziona* dia hasaina toy ny tanimboly, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Trano dia ho tonga toy ny havoana voarakotra ala» (Mik 3.12).

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 26:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Moa tsy fantatrao va, ry Saneheriba, fa efa hatry ny ela no nanomanako an’izao zava-nitranga tato ho ato izao? Efa hatramin’ny elabe no namolavolako azy, ary ankehitriny dia manatanteraka azy Aho. Voatendriko handrava ireo tanànamimanda ianao ka hahatonga azy ho korontam-bato.


Kanefa, na dia efa niavonavona am-po aza ity mpanjaka, dia niaiky heloka izy mbamin’ny mponin’i Jerosalema; ka tsy niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireo, fony fahavelon’i Hezekià.


Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema sy hanimba ny asa.


Salamo nataon’i Asafa. Andriamanitra ô, nidiran’ireo hafa firenena ny taninao ka nozimbazimbainy ny tempolinao masina ary nataony korontam-bato i Jerosalema.


ary eny antampon-tendrombohitra any an-tsaha. Hatolotro horobaina avokoa ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao, mbamin’ireo toeran-tsampinao koa aza ho valin’ny ota nataonao tao amin’ny faritaninao manontolo.


Ho tonga korontam-bato i Babilôna, ka ho fonenan’ny amboadia, ho toerana tsy misy mponina intsony fa mahonena sy mampivarahontsana.


Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.


Teny nampitain’ny TOMPO tamin’i Mikà izay avy any Môreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià. Fahitana no nampahafantaran’ny Tompo azy ny teniny momba ny tanàna Samaria sy Jerosalema.


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


«Izao no ho tonga any aoriana any: Ny tendrombohitra misy ilay tempolin’ny TOMPO dia haorina mafy ho faratampon’ny tendrombohitra, sy hanerinerina ambonin’ny havoana; ka vahoaka no hitanjozotra ho any.


Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza fa efa tafaverina indray eto Tsiôna Aho ka monina eo afovoan’i Jerosalema. Ny hiantsoana an’i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.» ary ny hiantsoana an’i Tsiôna tendrombohitro dia «Tendrombohitra masina.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra