Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.
Jeremia 39:10 - DIEM PROTESTANTA Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly. Baiboly Katolika Fa ny olona mahantra sasantsasany, tsy manana na inona na inona, dia navelan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, teo amin’ny tanin’i Jodà, sady nomeny tanimboaloboka aman-tanimboly tamin’izay andro izay izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanimboaloboka sy tanimboly tamin’izany andro izany. Malagasy Bible Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany. La Bible en Malgache Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany. |
Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.
Amin’izany andro izany koa ny isam-batan’olona dia samy hiompy ombivavy iray sy osivavy roa;
Hipetraka eto Mitsepà aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan’ny Babilônianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangòna divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin’izay tanàna hidiranareo.»
Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon’ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilôna efa nanendry an’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babo tany Babilôna.
dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin’ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremià mpaminany sy i Baròka zanakalahin’i Nerià.
Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.
«Ry ilay taranak’olombelona, ireo mponina tavela amin’ireo tanàna rava any an-tanin’i Israely dia nilaza hoe: ‹I Abrahama irery aza nahazo ity tany ity ho fananany, mainka fa isika marobe izao dia homena ity tany ity ho fananantsika›.
Ary tonga mpiandry ny ondry aho, dia ny ondry izay kasain’ny mpanondrana hovonoina. Naka tehina roa aho; ny iray nataoko hoe «Fihavanana» ary ny iray kosa «Firaisankina». Ary nandrasako ny ondry.