Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 11:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ary tonga mpiandry ny ondry aho, dia ny ondry izay kasain’ny mpanondrana hovonoina. Naka tehina roa aho; ny iray nataoko hoe «Fihavanana» ary ny iray kosa «Firaisankina». Ary nandrasako ny ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia niandry ny ondry izay noentina hovonoina, izay avy tamin’ny mpivarotra, aho. Ary naka tehina roa aho, ny iray dia nataoko hoe Fahasoavana ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana. Dia nandrasako ny ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ary tonga mpiandry ny ondry aho, dia ny ondry izay kasain’ny mpanondrana hovonoina. Naka tehina roa aho; ny iray nataoko hoe «Fihavanana» ary ny iray kosa «Firaisankina». Ary nandrasako ny ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin’ireo mahantra indrindra amin’ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia niandry ny ondry izay noentina hovonoina, izay avy tamin’ny mpivarotra, aho. Ary naka tehina roa aho, ny iray dia nataoko hoe Fahasoavana ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana. Dia nandrasako ny ondry.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 11:7
25 Rohy Ifampitohizana  

Na mandeha mamaky lohasaha maizina izay tandindomin’ny fahafatesana aza aho, dia tsy misy loza atahorako fa Ianao no miaraka amiko. Tarihinao sy arovanao aho ka izany no mampatoky ahy.


Zavatra tokana no angatahiko sady irîko fatratra homen’ny TOMPO: dia ny hitoetra ao an-tranony mandritra ny androm-piainako rehetra, mba hianoka amin’ny hatsarampony sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny.


Ry Tompo Andriamanitray ô, aoka ho aminay ny fahamoram-panahinao ka ampahombiazo ny asan’ny tananay; eny, ampahombiazo ny asan’ny tananay.


fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.


Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry ary roahiny miadana ny ampianahany.»


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly.


Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izany hoe ny biby voamariky ny tehin’ny mpiandry azy, dia voatokana ho an’ny TOMPO.


TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada tahaka ny tamin’ny andro taloha.


Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO.


Avy eo dia notapahiko koa ilay tehina «Firaisankina», hanafoanana ny firalahian’i Joda sy i Israely.


Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitro tamiko: –Meteza ianao ho mpiandry ireo ondry hovonoina.


mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.


Tenan’i Davida izany no manao ny Mesia hoe «Tompoko», ka ahoana no maha Zanak’i Davida Azy? Ary faly ny vahoaka maro nihaino an’i Jesoa.


Manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin’ny mpiandry tokana.


Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin’izao tontolo izao no efa nofidin’Andriamanitra, mba hanan-karena amin’ny finoana ka handray ny Fanjakana izay nampanantenainy homena ireo tia Azy.


Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy terỳ amoron’ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina.


Ary hoy i Gôliata tamin’i Davida: –Alika angaha aho no hatonin’ialahy amin’ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin’ny alalan’ireo andriamanitray!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra