Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon’ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilôna efa nanendry an’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babo tany Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary rehefa ren’ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilona dia efa nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra sasany teo amin’ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babilona,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon’ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilôna efa nanendry an’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babo tany Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nony nandre ry zareo mpifehy miaramila rehetra tany ambanivohitra mbamin’ireo olom-peheziny, fa hoe: i Godoliasa zanak’i Ahikama no natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany, sy nametrahany ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra amin’ny tany, tsy nentin-ko babo any Babilôna,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary raha ren’ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babylona efa nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin’ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary raha ren'ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary rehefa ren’ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilona dia efa nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra sasany teo amin’ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babilona,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.


dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ireo miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ireo ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna i Tsedekià mpanjaka.


Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly.


ka nampaniraka haka an’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna. Ary i Gadalià kosa dia hamela an’i Jeremià hody any aminy. Dia niaina teo anivon’ny vahoaka i Jeremià.


Raha vao nahita izany i Tsedekià mpanjaka sy ireo rehetra miaramilany, dia nandositra. Tamin’ny alina no niala tao an-tanàna izy, ka namakivaky ny zaridainan’ny mpanjaka, izay nandalo tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.


Ary ny mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana ary ny mpahay taozavatra sisa dia nalefan’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina ho sesitany tany Babilôna.


Kanjo tamin’ny volana fahafiton’io taona io ihany dia tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, niaraka tamin’ny olona folo lahy i Jismahela, zanakalahin’i Netanià sy zafikelin’i Elisamà; fianakavian’ny mpanjaka io Jismahela io sady anisan’ny manamboninahiny. Koa raha mbola teo am-pihinanana niaraka tamin’i Gedalià iny indrindra,


Avy eo dia nentin’i Jismahela ho babo ny sisa tamin’ny mponina tao Mitsepà mbamin’ireo zanakavavin’ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin’ny Hamônita.


Ary ren’i Johanàna, zanakalahin’i Karea mbamin’ireo lehiben’ny andia-miaramila niaraka taminy ny ratsy rehetra efa nataon’i Jismahela.


dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin’ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremià mpaminany sy i Baròka zanakalahin’i Nerià.


Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.


«Ny olona rehetra eo amin’ny tany no hanefa izany tolotra izany ho an’ny printsy filohan’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra