Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 7:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Amin’izany andro izany koa ny isam-batan’olona dia samy hiompy ombivavy iray sy osivavy roa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Amin’izany andro izany dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Amin’izany andro izany koa ny isam-batan’olona dia samy hiompy ombivavy iray sy osivavy roa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Amin’izany andro izany, ny olona iray hiompy ombivavy iray sy ondrivavy roa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary amin’izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 7:21
8 Rohy Ifampitohizana  

Ireo olona faran’izay fadiranovana dia ho tahaka ny ondrikely miraotra, ary ireo mahantra hiadana sy handry feizay; fa hataon’ny fahavalo matin-kanoanana hatrany ifotony kosa ianao, ry Filistia, ary izay sisa ao aminao dia haringana.


Ho lao mandrakizay mandrakizay ireo tanàna manodidina azy, ka ho tonga fitobian’ny ondry aman’osy ary handry am-pilaminana ao ireny, fa tsy hisy mpanelingelina azy.


Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo.


Aoka hiravoravo ny taniefitra sy ny tany karankaina! Aoka hifaly ny tany ngazana ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.


Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekià: Amin’ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin’ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin’ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy.


Eny amin’ny tanàna rava eny no hiraofan’ny zanak’ondry toy ny any amin’ny tany fiandrasana azy; eny koa ny zanak’osy afahy no hitady ny sakafony.


Ary ny amin’ireo havoana izay novolena tamin’ny lapika dia tsy ho azo aleha intsony noho ny tahotra ny tsilo sy ny songosongo, fa havela ho kijàna fiandrasana omby sy ho tany firaofan’ny ondry aman’osy.


Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra