Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Hipetraka eto Mitsepà aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan’ny Babilônianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangòna divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin’izay tanàna hidiranareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary ny amiko dia indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa manangòna ianareo divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo ka ataovy ao amin’ny fitahirizanareo, dia monena amin’izay tanàna nidiranareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Hipetraka eto Mitsepà aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan’ny Babilônianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangòna divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin’izay tanàna hidiranareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan’ny Kaldeanina, tonga atỳ aminareo; ary ianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin’ny fasiana azy, dia monena amin’izay tanànanareo, izay hipetrahanareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa hianareo dia manangòna divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin’ny fitehirizanareo, dia monena amin’izay tanàna nidiranareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin'ny fitehirizanareo, dia monena amin'izay tanàna nidiranareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary ny amiko dia indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa manangòna ianareo divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo ka ataovy ao amin’ny fitahirizanareo, dia monena amin’izay tanàna nidiranareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:10
15 Rohy Ifampitohizana  

Raha vao nihoatra ny tampon-tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Tsibà mpanompon’i Mefibôseta, mitarika boriky roa voaisy lasely sady novesarana mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho ary koa voankazo masaka iray harona sy divay eran’ny siny hoditra.


Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao.


Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.


Tapaho ny ahitra eny an-tsaha, ka mandritra ny itsiran’ny solofony, dia angony ny vilo-maina eny an-tendrombohitra.


Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:


Noho izany, amin’ny fianakavian’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba, dia hisy hatrany olona hijoro hanompo eo anatrehako. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no milaza izany.»


Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly.


Koa ireny Jodeanina rehetra ireny dia niverina avy any amin’ny toerana izay nandroahana azy, ka tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, any amin’ny tanin’i Joda. Dia nanangona divay sy voankazo be dia be ireny.


Ary i Jeremià nankany amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama tao Mitsepà, ka niara-nipetraka taminy teo anivon’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany.


Fa nentin’i Jôhànana zanakalahin’i Karehà sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila kosa ny vahoaka sisa tavela tao amin’ny fanjakan’i Joda, izany hoe ny olona rehetra voaroaka tany amin’ireo firenena manodidina ka niverina honina tao Joda indray,


Mihoatra noho ny fitomanian’ny mponina tao Jahizera no itomaniako anao, ry voly voaloboka any Sibmà, fa ny sampanao nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty ka tafapaka hatrany Jahizera. Kinanjo ilay mpandrava nandripaka ny fiotazanao sy ny fijinjànao.


Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!


Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin’izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona.


fa i Josoa mpanomponao, i Josoa zanakalahin’i Nona, no hiditra any. Koa ampaherezo izy, fa izy no hampahazo ny Israelita izany tany izany.


Rehefa voaangonareo ny avy amin’ny famoloanareo sy famiazanareo, dia hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra