Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Tahaka izany koa ireo Jodeanina nitoetra tany amin’ny Môabita sy ny Hamônita sy ny Edômita ary tany amin’ny faritra rehetra hafa, dia samy nahare fa misy ampahany amin’ny vahoaka navelan’ny mpanjakan’i Babilôna ao amin’ny fanjakan’i Joda ary nankininy tamin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary ny Jiosy rehetra koa izay tany Moaba sy tany amin’ny taranak’i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan’i Babilona efa namela ny Joda hisy sisa sady nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, ho mpanapaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Tahaka izany koa ireo Jodeanina nitoetra tany amin’ny Môabita sy ny Hamônita sy ny Edômita ary tany amin’ny faritra rehetra hafa, dia samy nahare fa misy ampahany amin’ny vahoaka navelan’ny mpanjakan’i Babilôna ao amin’ny fanjakan’i Joda ary nankininy tamin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ny Jodeanina rehetra izay tany amin’ny tanin’i Moaba ao amin’ny taranak’i Amôna, sy tany Edôma, nony efa nandre tao amin’izany tany rehetra izany fa hoe mbola misy sisan’i Jodà navelan’ny mpanjakan’i Babilôna, ary i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, no napetrany ho governoran’izy ireo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin’ny taranak’i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan’i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, ho mpanapaka azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, ho mpanapaka azy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary ny Jiosy* rehetra koa izay tany Moaba sy tany amin’ny taranak’i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan’i Babilona efa namela ny Joda hisy sisa sady nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, ho mpanapaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:11
23 Rohy Ifampitohizana  

Izany no nipetrahan’i Hesao na i Edôma tany an-tendrombohitra Sehira.


Dia hiara-kirohotra hiankandrefana eny amin’ny havoan’ny Filistinina izy roa tonta ary handeha hiantsinanana handroba ny foko any an-taniefitra, ka hanitatra ny fahefàny amin’i Edôma sy i Môaba ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.


Avelao hitoetra ao aminao izay voaroaka ary aoka ho fierena ho azy ianao eo anoloan’ny mpandringana azy! Fa rehefa hitsahatra ny famoretana sy ny fandringanana ary tsy hisy amin’ny tany intsony ny mpampahory,


Hatolotro ho fampihorohoroana ny fanjakana rehetra eto an-tany izy; ka na aiza na aiza hanapariahako azy, dia ho ohatra fandatsana sy fanarabiana ary fanesoana sy fanozonana izy.


Avy eo dia nentin’i Jismahela ho babo ny sisa tamin’ny mponina tao Mitsepà mbamin’ireo zanakavavin’ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin’ny Hamônita.


Fa nentin’i Jôhànana zanakalahin’i Karehà sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila kosa ny vahoaka sisa tavela tao amin’ny fanjakan’i Joda, izany hoe ny olona rehetra voaroaka tany amin’ireo firenena manodidina ka niverina honina tao Joda indray,


dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin’ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremià mpaminany sy i Baròka zanakalahin’i Nerià.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Nanao valifaty mahatsiravina tamin’ny vahoakan’i Joda ny Edômita, ary izany no mahameloka azy.


«Ry ilay taranak’olombelona, mitodiha amin’ny Hamônita ary mijoroa ho mpaminany ny amin’ny hamelezana azy.


«Eny, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nitehaka sy nitsinjaka ary nifaly tokoa ianareo tamin’ny loza nanjo an’i Israely. Izany no nanaovanareo tsinontsinona ny vahoakako.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Nilaza ny Môabita fa efa tonga tahaka ny firenena hafa rehetra izao i Joda.


Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin’ny havoana; ary niparitaka teny amin’ny velaran-tany manontolo izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy.


Faly ianao nahita ny zaratanin’ny vahoaka Israely tonga taniefitra, koa toy izay nanjo azy no hataoko aminao: ho taniefitra ianao, ry tendrombohitr’i Sehîra, izany hoe ry Edôma manontolo. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.»


Hatry ny ela no nankahalanao ny Israelita. Tamin’ny fotoana naharesy azy, fony nihoa-pampana ny heloka vitany, dia nataonao ripaky ny ady izy.


Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanàna; ny ampahatelo ho fatin’ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin’ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho hoenti-manenjika azy.


«Kanefa hakanao ampahany kely ireo volo ireo ka hafeninao anaty paosin’akanjonao.


Niainga indray ny Israelita ka nitoby tao amin’ny lemak’i Môaba, teo an-dafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.


Nitoby tao Sitima ny Israelita ka nanomboka nijangajanga tamin’ny vehivavy môabita,


izay nitarika azy hanao sorona amin’ireo andriamaniny.


Tonga nanafika ny tanànan’i Jabesy any Gilehada i Nahasy mpanjakan’ny Hamônita ka nanao fahirano azy. Dia hoy ny mponin’i Jabesy taminy: –Manaova fanekena aminay, fa vonon-kanompo anao izahay.


Kanjo rehefa hitanareo fa avy hanafika anareo ny Nahasy mpanjakan’ny Hamônita, dia hoy ianareo tamiko: «Mila mpanjaka izahay!»; toy ny hoe tsy mpanjakanareo ny TOMPO Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra