Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Koa ireny Jodeanina rehetra ireny dia niverina avy any amin’ny toerana izay nandroahana azy, ka tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, any amin’ny tanin’i Joda. Dia nanangona divay sy voankazo be dia be ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ny tanin’ny Joda ho any amin’i Gedalia tao Mizpa; dia nanangona divay sy voankazo masaka fahavaratra be dia be izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Koa ireny Jodeanina rehetra ireny dia niverina avy any amin’ny toerana izay nandroahana azy, ka tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, any amin’ny tanin’i Joda. Dia nanangona divay sy voankazo be dia be ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 dia tamin’izay ny Jodeanina rehetra no niverina avy any amin’ny tany rehetra nandroahana azy avokoa, ka nankao amin’ny tanin’i Jodà, nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà, ary nanangona divay amam-boankazo be dia be.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ny tanin’ny Joda ho any amin’i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ny tanin’ny Joda ho any amin’i Gedalia tao Mizpa; dia nanangona divay sy voankazo masaka fahavaratra be dia be izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:12
8 Rohy Ifampitohizana  

Tapaho ny ahitra eny an-tsaha, ka mandritra ny itsiran’ny solofony, dia angony ny vilo-maina eny an-tendrombohitra.


Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:


Hipetraka eto Mitsepà aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan’ny Babilônianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangòna divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin’izay tanàna hidiranareo.»


Indray andro dia tonga nihaona tamin’i Gedalià tao Mitsepà i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy ireo olon-kafa lehiben’ny andia-miaramila izay mbola tany an-tsaha.


Avy eo dia nentin’i Jismahela ho babo ny sisa tamin’ny mponina tao Mitsepà mbamin’ireo zanakavavin’ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin’ny Hamônita.


Fa nentin’i Jôhànana zanakalahin’i Karehà sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila kosa ny vahoaka sisa tavela tao amin’ny fanjakan’i Joda, izany hoe ny olona rehetra voaroaka tany amin’ireo firenena manodidina ka niverina honina tao Joda indray,


Nefa hatramin’izay tsy nanoloranay fanatitra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izay, dia tsy manana na inona na inona intsony izahay sady matin’ny ady sy ny mosary.


Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin’ny havoana; ary niparitaka teny amin’ny velaran-tany manontolo izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra