Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.
Jeremia 27:11 - DIEM PROTESTANTA «Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy NY TOMPO, ka hiasa izany izy sady honina ao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.» Baiboly Katolika Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna sy hanompo azy, dia havelako handry feizay eo amin’ny taniny, - teny marin’i Iaveh, - ka hiasa azy, sy honina eo aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy. Malagasy Bible Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy. La Bible en Malgache Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy NY TOMPO, ka hiasa izany izy sady honina ao. |
Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.
Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
«Koa raha misy firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnetsara, eny, raha misy firenena tsy manaiky hitondra ny zioga izay hampitondrain’i Nebokadnetsara azy, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamely izany firenena izany amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary ny tanan’i Nebokadnetsara no hasaiko mandripaka azy.
«Izao no lazain’ny TOMPO: Izay mijanona eto amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Fa izay mivoaka ny tanàna mba hitolo-batana amin’ny Babilônianina kosa dia ho velona hahavonjy ny ainy.»
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hangoniko avy any amin’ny firenen-kafa izay nanelezako azy ny Israelita, ka hasehoko eo imason’ireo hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina. Honina ao amin’ny taniny izy, dia ny tany izay efa nomeko an’i Jakôba mpanompoko.