Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa lainga no nosaininy aminareo mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Fa lainga no vinanìn’ireo aminareo, sy handroahako anareo ka haharingana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa lainga no vinanin’ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko hianareo ka ho ringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa lainga no nosaininy aminareo mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:10
17 Rohy Ifampitohizana  

«Izay olona mandry amin’ny biby dia tsy maintsy vonoina ho faty.


Dia hoy ny TOMPO tamiko: –Mandainga ireo mpaminany niteny tamin’ny anarako ireo, fa tsy naniraka na nandidy azy akory Aho ary tsy niteny taminy koa. Izay ambarany aminareo dia fahitana mandainga, vinavina tsy misy dikany, fitaka noforomporoniny.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Aza henoinareo ny teny izay ampitain’ireo mpaminany ireo; fa mamitaka anareo fotsiny izy. Ny fanambaràna izay lazainy aminareo dia avy amin’ny eritreriny ihany fa tsy avy amin’ny vavako.


Izaho Tompo efa nandre izay nolazain’ireo mpaminany mihambo miteny amin’ny anarako kanefa milaza lainga manao hoe: «Nanonofy aho, eny, nanonofy aho.»


Misy mpaminany mihambo milaza fa tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilôna intsony ianareo. Maminany lainga izy, ka aza mihaino azy ianareo.


Hentitra kosa ny tenin’ny TOMPO hoe: ‹Tsy naniraka ireny Aho. Mihambo miteny amin’ny anarako izy, nefa mandainga. Koa raha mihaino azy ianareo, dia horoahiko hiala eto, ka ho lany ringana ianareo sy ireto mpaminany izay maminany aminareo.› »


Farany dia ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo no nitenenan’i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo fa haverina haingana avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny TOMPO, satria lainga izay nambarany taminareo.


Avy eo dia hoy i Hananià teo imason’ny vahoaka rehetra teo: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Alohan’ny roa taona androany, dia hopotehiko tahaka izao ny ziogam-pamoretana angejan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny firenena rehetra.› » Dia lasa nandeha tamin’ny diany i Jeremià mpaminany.


Koa lazain’ny TOMPO fa hoesoriny tsy ho eto ambonin’ny tany ianao; alohan’ny faran’ity taona ity, dia ho faty ianao satria nanosika ity firenena ity hikomy amin’ny TOMPO.


Fa ity tanànan’i Jerosalema ity dia efa nampahavinitra sy nampahatezitra Ahy hatramin’ny nanorenana azy ka mandraka androany, hany ka hoesoriko tsy ho eo anatrehako intsony.


Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?


Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.


Fa rehefa nandry teo am-parafara aho, dia izao no hitako: Indro nisy hazo iray teo afovoan’ny tany; ary fatratra tokoa ny haavony.


Fa zava-poana no tenenin’ny sampy. Ary lainga no hany hitan’ny mpisikidy; tsy misy dikany ny nofy tantarainy, feno fitaka ny fampiononana entiny. Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha, ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


Aoka eo aminareo tsy hisy olona mpandefa ny zanany lahy na ny zanany vavy hatao sorona, na mpimasy, na mpanandro, na mpisikidy na mpamosavy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra