Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:11 - DIEM PROTESTANTA

11 «Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy NY TOMPO, ka hiasa izany izy sady honina ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 «Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna sy hanompo azy, dia havelako handry feizay eo amin’ny taniny, - teny marin’i Iaveh, - ka hiasa azy, sy honina eo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy NY TOMPO, ka hiasa izany izy sady honina ao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.


Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.


«Izao no voalazan’ny TOMPO: Manamboara mahazaka sy zioga ka lanjao eny an-tsorokao.


«Koa raha misy firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnetsara, eny, raha misy firenena tsy manaiky hitondra ny zioga izay hampitondrain’i Nebokadnetsara azy, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamely izany firenena izany amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary ny tanan’i Nebokadnetsara no hasaiko mandripaka azy.


«Izao no lazain’ny TOMPO: Izay mijanona eto amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Fa izay mivoaka ny tanàna mba hitolo-batana amin’ny Babilônianina kosa dia ho velona hahavonjy ny ainy.»


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hangoniko avy any amin’ny firenen-kafa izay nanelezako azy ny Israelita, ka hasehoko eo imason’ireo hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina. Honina ao amin’ny taniny izy, dia ny tany izay efa nomeko an’i Jakôba mpanompoko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra