Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 21:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Izay mbola mitoetra eto amin’ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona ka ny ainy no ho babony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izay mbola hitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeanina na manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Izay mbola mitoetra eto amin’ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahi-rano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Izay mbola mitoetra eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Izay mbola mitoetra eto amin’ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona ka ny ainy no ho babony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 21:9
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»


Halefako hamely azy ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana mandra-pahalany ritra azy tsy ho eo amin’ny tany izay nomeko azy sy ny razany.


«Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.


Fa nahoana moa no tsy maintsy ho faty amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao? Izany no hanjo ny firenena rehetra izay tsy manaiky hanompo ny mpanjakan’i Babilôna araka izay voalazan’ny Tompo.


«Izao no lazain’ny TOMPO: Izay mijanona eto amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Fa izay mivoaka ny tanàna mba hitolo-batana amin’ny Babilônianina kosa dia ho velona hahavonjy ny ainy.»


Ary hoy koa i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Hatolotra eo an-tanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna tokoa ity tanàna ity ka ho azony.»


Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an’ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »


Koa ianao ve sahy hitaky tombontsoa ho an’ny tenanao manokana? Tsia, aza mitaky na inona na inona; fa indro Aho hahatonga loza ho amin’ny olombelona rehetra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa izao no tombontsoa hanananao: Hataoko velona aina ianao any amin’ny toerana rehetra halehanao.»


Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanàna; ny ampahatelo ho fatin’ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin’ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho hoenti-manenjika azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra