Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:2 - DIEM PROTESTANTA

2 «Izao no voalazan’ny TOMPO: Manamboara mahazaka sy zioga ka lanjao eny an-tsorokao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Manaova kofehy famatorana sy zioga maromaro ianao ka ataovy eo am-bozonao;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 «Izao no voalazan’ny TOMPO: Manamboara mahazaka sy zioga ka lanjao eny an-tsorokao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Manaova fatorana sy jioga ianao, ka ataovy eo ambony vozonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga hianao, ka ataovy eo am-bozonao;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Manaova kofehy famatorana sy zioga maromaro ianao ka ataovy eo am-bozonao;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:2
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»


–ny Edômita sy ny Môabita ary ny Hamônita;


«Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga, ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin’ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.


«Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy,


Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa hopotehiko ny herin’i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanàna, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin’izany faritra izany.


Manamboara rojo fandrohizana fa feno vonoan’olona ny tany ary feno herisetra ny tanàna.


Izao no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy nanao andiam-balala tamin’ny fiandohan’ny fitsimohan’ny kolokolo, dia ny kolokolo taorian’ny fijinjana vary ho an’ny mpanjaka.


Izao indray no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy Tompo ANDRIANANAHARY dia niantso ny afo hanatanteraka ny fitsarany; ka ny afo no nandritra ny ranobe any ambanin’ny tany sady nandoro ny tanin’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra