Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny natao avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 TAMIN’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:1
8 Rohy Ifampitohizana  

Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy any Libnà.


Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema.


Vao niandoha ny fanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:


Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.


Avy eo dia alefaso any amin’ny mpanjakan’i Edôma sy ny mpanjakan’i Môaba ary ny mpanjakan’ny Hamônita mbamin’ny mpanjakan’i Tiro sy ny mpanjakan’i Tsidôna ireny. Ampitondray ireo masoivohony tonga eto Jerosalema mba hihaona amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ireny zioga ireny;


Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, andro iray tamin’ny volana fahadimy, dia nankao an-tranon’ny TOMPO i Hananià mpaminany, zanakalahin’i Hazora sady avy any Gibehôna. Niteny tamin’i Jeremià teo imason’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe:


Nisy torolalana avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià tamin’ny taona fahafolo nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakàn’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra