Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 15:5 - DIEM PROTESTANTA

Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no hitsetra anao? Iza no hisahirana hanantsafa anao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no hitsapa alahelo anao? Iza no hivily hanantsafa anao?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no hitsetra anao? Iza no hisahirana hanantsafa anao?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Iza àry no hiantra anao, ry Jerosalema? Zovy no higogogogo noho ny manjò anao? Zovy no hivily lalana, hanontany ny amin’ny toetranao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no hitsapa alahelo anao? Iza no hivily hanantsafa anao?

Jereo ny toko



Jeremia 15:5
15 Rohy Ifampitohizana  

Iantrao dia iantrao aho, ry sakaizako isany, fa ny tanan’Andriamanitra no namely ahy.


Latsa, henatra, fahafaham-baràka: fantatrao fa mihatra amiko avokoa ireny; tsy misy takona Anao ny mpandrafy ahy.


Dia niainga hitsena azy i Mosesy, niankohoka teo anatrehany sady nanoroka azy. Ary rehefa avy nifampiarahaba izy dia niditra tao an-dain’i Mosesy.


Tonga namely anao tsiroaroa ny loza; fahasimbana sy faharavana, ary ady sy mosary. Kanefa iza moa no hitsetra anao, iza moa no hampahery anao?


Hampifandrotehiko ny olona ka ny ray aman-dreny hamely ny zanany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy hitsitsy na hiantra na hamindra fo Aho fa handringana azy.»


Izao koa no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Aza miditra amin’ny tranom-paty na manatrika fandevenana na mitsapa alahelo akory, fa efa nesoriko tamin’ity vahoaka ity ny fihavanako sy ny hatsaram-poko ary ny fangorahako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»


Mananty tanana miangavy i Tsiôna, nefa tsy misy mampionona azy. Nobaikoin’ny TOMPO ireo firenena manodidina ho fahavalon’ny taranak’i Jakôba; i Jerosalema, eo afovoan’ireo, dia tonga fako maharikoriko.


Ary izay rehetra mahita anao dia handositra anao sady hiteny hoe: «Rava i Ninive! Iza intsony no hangoraka azy? Aiza no hahitana mpampionona azy?»


Ary nanatona izy dimy lahy dia niditra tao an-tranon’i Mikà nisy ilay tovolahy levita ary niarahaba azy.


Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa izay horaisinao amim-panajana.


Natolotr’i Davida ny mpiambina ireo entana nentiny, ary dia lasa izy nilomay nankeny am-bava ady nanontany izay vaovao momba ireo rahalahiny.


dia naniraka tanora folo lahy izy nohafarany hoe: –Miakara any Karmela, dia mankanesa ao amin’i Nabala mitondra fiarahabana ho azy amin’ny anarako.