Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 16:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izao koa no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Aza miditra amin’ny tranom-paty na manatrika fandevenana na mitsapa alahelo akory, fa efa nesoriko tamin’ity vahoaka ity ny fihavanako sy ny hatsaram-poko ary ny fangorahako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; fa efa nesoriko tsy ho amin’ity firenena ity ny fiadanako, hoy NY TOMPO, dia ny famindrampo sy ny fiantrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izao koa no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Aza miditra amin’ny tranom-paty na manatrika fandevenana na mitsapa alahelo akory, fa efa nesoriko tamin’ity vahoaka ity ny fihavanako sy ny hatsaram-poko ary ny fangorahako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Satria izao no lazain’i Iaveh: «Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana, aza mandroso hitomany sy higogogogo miaraka amin’izy ireo; fa ny fiadanako dia efa noesoriko tamin’ity firenena ity, - teny marin’i Iaveh, - noesoriko taminy ny famindram-poko amam-piantràko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa izao no lazain’i Jehovah: Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana, Ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa nesoriko tsy ho amin’ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, Dia ny famindrampo sy ny fiantrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa izao no lazain'i Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; fa efa nesoriko tsy ho amin’ity firenena ity ny fiadanako, hoy NY TOMPO, dia ny famindrampo sy ny fiantrana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 16:5
13 Rohy Ifampitohizana  

Tsarovy, TOMPO ô, fa hatrizay hatrizay dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin’ny sisintany an-kilany ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsîny.


Hampifandrotehiko ny olona ka ny ray aman-dreny hamely ny zanany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy hitsitsy na hiantra na hamindra fo Aho fa handringana azy.»


Noho izany dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo hankany amin’ny tany izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razanareo. Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’alina, fa tsy hiantra anareo intsony Aho.› »


Noroahiny lavitry ny fiadanana aho ka nanadino izay atao hoe fahasambarana.


Talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana na ho an’ny olona na ho an’ny biby. Ary tsy nisy olona afa-nivezivezy ka tsy notandindomim-pahavalo; fa navelako hifamely ny olon-drehetra.


Dia hirehetan’ny fahatezerako amin’izany andro izany ity vahoaka ity ka hilaozako ary hanafenako ny tavako; hataon’ny olona levona izy sady hianjadian’ny loza amam-pahoriana maro. Amin’izany andro izany no hitenenan’ny Israelita hoe: «Noho Andriamanitra tsy eto aminay no mahatonga anay hianjadian’izao fahoriana izao!»


Dia soavaly mena kosa no nipoitra; ary ilay nitaingina azy dia nomena sabatra lehibe ary navela hanaisotra ny fihavanana hiala amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra