Jeremia 16:4 - DIEM PROTESTANTA4 Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Ho fatin’ny aretina izy, nefa tsy hisaonana na halevina fa ho zezika eny ambonin’ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy ka ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ny fatiny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty; tsy hitomaniana na halevina, ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany. Ho fatin’ny sabatra ama-mosary; ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina amam-bibin’ny tany.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 Ho fatin’ny loza samy hafa izy, Nefa tsy hisaonana na halevina, Fa ho zezika eny ambonin’ny tany; Ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, Ka ho fihinan’ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Ho fatin'ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin'ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 Ho fatin’ny aretina izy, nefa tsy hisaonana na halevina fa ho zezika eny ambonin’ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy ka ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ny fatiny. Jereo ny toko |
Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.
Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.
Halaiko ireo Jodeanina sisa tavela izay nanapa-kevitra handeha hialokaloka any Ejipta, ka ho lany ritra izy rehetra. Any amin’io tany io no hahalavoany sy hahalany ritra azy amin’ny ady sy ny mosary; eny, toy izany no hahafaty azy na ny kely na ny lehibe. Dia hatao ohatra filazàn-javatra maharikoriko sy mampivarahontsana na filazana ozona sy latsa ireo.