Jeremia 21:7 - DIEM PROTESTANTA7 Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20117 Ary rehefa afaka izany, hoy NY TOMPO, i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony mbamin’ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary amin’ity tanàna ity, dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona sy eo an-tanan’ny fahavalony ary eo an-tanan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo fa tsy hitsitsy, na hiantra azy, na hamindra fo aminy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara7 Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika7 Manaraka izany, - teny marin’i Iaveh, - hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy7 Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, sy eo an-tànan’ny fahavalony sy eo an-tànan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy. Jereo ny tokoMalagasy Bible7 Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache7 Ary rehefa afaka izany, hoy NY TOMPO, i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony mbamin’ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary amin’ity tanàna ity, dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona sy eo an-tanan’ny fahavalony ary eo an-tanan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo fa tsy hitsitsy, na hiantra azy, na hamindra fo aminy. Jereo ny toko |
Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.
Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.