Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 21:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Hamely izay rehetra monina amin’ity tanàna ity Aho, na olona na biby, ka ho fatin’ny areti-mandringana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Hamely ny mponina amin’ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: Ho fatin’ny areti-mandringana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Hamely izay rehetra monina amin’ity tanàna ity Aho, na olona na biby, ka ho fatin’ny areti-mandringana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Hasiako avokoa ny mponina amin’ity tany ity, na olona na biby, ka ho fatin’ny pesta mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary hamely ny mponina amin’ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin’ny aretim-be mandringana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary hamely ny mponina amin'ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin'ny aretim-be mandringana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Hamely ny mponina amin’ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: Ho fatin’ny areti-mandringana izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 21:6
26 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy IZY hoe: «Hofoanako tsy hisy ambonin’ny tany ny olombelona izay noarîko sy ny biby rehetra na lehibe na kely, hatramin’ny voro-manidina, satria manenina Aho tamin’ny nanaovako ireo.»


Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.»


Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.


Indro mandroso hatrany izao ny Babilônianina amin’ny fanaovana fahirano ny tanàna ka hahafaka azy; eny, hatolotra ho eo an-tanan’ny Babilônianina izy, ka hasiany amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Hitanao tsara izao fa tanteraka izay nambaranao.


Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Eto amin’ity toerana rava ka tsy ahitana olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia hisy faritra hampandrian’ireo mpiandry ondry ny biby fiompiny.


Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.


Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.


Noho izany, dia aoka ho fantatrareo tokoa fa ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo any amin’io tany izay tianareo haleha hialokalofana io!


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


Nefa hamelako olona vitsivitsy ihany izy, dia ny sisa tavela tsy ringan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana: ireo no hitantara amin’ny firenen-kafa misy azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony, ka hoeken’ny firenen-kafa koa fa Izaho no TOMPO.»


«Ry ilay taranak’olombelona, raha ohatra manota amiko ireo mponin’ny tany anankiray ka mivadika amiko, dia hampihatra ny heriko hamely azy Aho. Hosimbako ny tahirin-kaniny ka handefasako mosary izy; sady haringako avokoa ny olona sy ny biby fiompy eo amin’ny taniny.


«Na koa hampisiako ady eo amin’izany tany izany ary hodidiako ny tafika handrava azy sy handringana ny olona mbamin’ny biby fiompy ao.


«Na koa handefasako areti-mandringana amin’izany tany izany, ka io areti-mandoza mandringana olona sy biby fiompy io no hanehoako ny fahatezerako aminy.


Izao kosa avy eo no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Na dia nalefako hamely an’i Jerosalema aza ireo famaizako efatra mandoza ireo, izany hoe ny ady sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba handripahana ny olona sy ny biby fiompy,


«Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Velona Aho ka mianiana fa izay sisa tavela ao amin’ireo tanàna rava dia ho fatin’ny sabatra, izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibidia, ary izay miery any an-tendrombohitra sy any an-dava-bato dia ho fatin’ny areti-mandringana.


Ary rehefa hataoko rava sy lao ny tany ho famaizana ny asa maharikoriko nataon’ny Israelita, dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO.


«Hirongatra eny an-dalambe ny ady, ary ao an-trano kosa ny areti-mandringana sy ny mosary. Ho fatin’ny ady ireo olona any an-tsaha, ary ho ripaky ny mosary sy ny areti-mandringana ireo any an-tanàna.


Noho izany, fadiranovana ny tany; reraka ny mponina rehetra ao mbamin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina; ary na ny trondron-dranomasina aza dia ringana koa.»


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


Hopotehiko ny olona sy ny biby ary ny vorona mbamin’ny trondro; haringako ny ratsy fanahy sy ny asa manafintohina ataony. Tsy avelako hisy olona na dia iray aza eto ambonin’ny tany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany».


Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra