Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 21:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izaho mihitsy no hiady aminareo, ka hampiseho aminareo ny heriko sy ny fahaizako ao anatin’ny fahatezerako mirehitra mahatsiravina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary Izaho no hiady aminareo amin’ny tanana mitsotra sy amin’ny sandry mahery ary amin’ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izaho mihitsy no hiady aminareo, ka hampiseho aminareo ny heriko sy ny fahaizako ao anatin’ny fahatezerako mirehitra mahatsiravina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 ary izaho hiady aminareo amin’ny tanana ahinjitra sy sandry mahery amim-pahatezerana, fisafoahana sy fahavinirana mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary Izaho no hiady aminareo amin’ny tànana ahinjitra sy amin’ny sandry mahery ary amin’ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary Izaho no hiady aminareo amin'ny tanana ahinjitra sy amin'ny sandry mahery ary amin'ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary Izaho no hiady aminareo amin’ny tanana mitsotra sy amin’ny sandry mahery ary amin’ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 21:5
21 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.


Ankehitriny, raha naninji-tanana namely anao sy ny vahoakanao tamin’ny areti-mandringana Aho, dia efa levona teto ambonin’ny tany ianareo.


Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin’ireo babo na hidaboka miaraka amin’ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.


Saingy nikomy tamin’ny Tompo ireo ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina; dia tonga fahavalon’ireo Izy sady niady taminy mihitsy.


Dia toy izany no nikapohan’Andriamanitra ny vahoakany; kanefa tsy niverina tamin’Andriamanitra ihany izy, tsy notadiaviny ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Eny, midedadeda tokoa ny faharatsiana toy ny afo mandoro ny tsilo sy ny songosongo sady mandrehitra ny kirihitr’ala ka mampisavoana ny setroka mitambolina.


–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny fahefànao, ka tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.


Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.


Angamba hamboraka fifonana amin’ny TOMPO izy ary hiala amin’ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin’ity vahoaka ity.»


Ary na dia ho resinareo aza ny tafika babilônianina manontolo izay miady aminareo, ka tsy misy tavela afa-tsy olona maratra, dia mbola hitsangana tsirairay avy ao an-dainy ireny ka ho avy handoro ity tanàna ity amin’ny afo.› »


Ho lasan’olon-kafa ny tranony sy ny sahany ary ny vadiny, satria hahinjitro ny tanako hamely ny mponina amin’ny tany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Tamim-pahatezerana mirehitra no nanapotehany izay rehetra nampirehareha an’i Israely. Nihemotra tsy niditra an-tsehatra Izy teo anatrehan’ny fahavalo. Nandrehitra afom-pahatezerana Izy hamelezana ireo taranak’i Jakôba, ka toa afo miredareda nandevona manodidina.


Avy eo kosa hasiako ianao, ka ho tapaka eny an-tananao ankavia ny tsipîkanao ary hianjera avy eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipîkanao.


Koa hamafisiko indray fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no hamely anareo, ry mponin’i Jerosalema. Hampihariko eo afovoan-tanàna ho hitan’ny hafa firenena ny didim-pitsarako.


Mitandrema ianareo fandrao manadino ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo, ka manao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo, araka ny endriky ny zavatra rehetra izay efa nandraran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.


Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan’ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn’ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra