Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 21:4 - DIEM PROTESTANTA

4 izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo izay entinareo miady eny ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilona sy amin’ny Kaldeana izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ity tanàna ity ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Indro, ny fiadiana eny an-tananareo, entinareo miady any ivelan’ny manda, amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia hataoko miverina any aoriana sy hangoniko eo afovoan’ny tanàna;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tànanareo, izay entinareo miady eny ivelan’ny mànda amin’ny mpanjakan’i Babylona sy amin’ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ity tanàna ity ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i Babylona sy amin'ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan'ity tanàna ity ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo izay entinareo miady eny ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilona sy amin’ny Kaldeana izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ity tanàna ity ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 21:4
23 Rohy Ifampitohizana  

Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin’ireo babo na hidaboka miaraka amin’ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.


Ankehitriny dia hampahafantariko anareo izay hataoko amin’izany voaloboko izany: Hoesoriko ny fefy tsilo miaro azy, dia hiraofan’ny biby fiompy izy. Harodako ny rindrim-bato manodidina, dia ho voahitsakitsaky ny mpandalo izy.


Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.


Dia hoy i Jeremià tamin’ireo iraka: –Ndeha lazao amin’i Tsedekià


Indro mandroso hatrany izao ny Babilônianina amin’ny fanaovana fahirano ny tanàna ka hahafaka azy; eny, hatolotra ho eo an-tanan’ny Babilônianina izy, ka hasiany amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Hitanao tsara izao fa tanteraka izay nambaranao.


I Tsedekià no nampanidy an’i Jeremià tao satria nanome tsiny ity mpaminany izy tamin’ny nanambarany ny hafatry ny TOMPO hoe: «Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Jerosalema ka ho lasany.


Dia hoentina any Babilôna i Tsedekià, ka hijanona any saingy hokarakaraiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa na dia hanohy hiady amin’ny Babilônianina aza ianareo, dia tsy haharesy azy.»


Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»


Nisesika niditra tao an-tanàna ireo rehetra manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ary naka toerana teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro, i Samgara-Nebo, i Sarisekima lehiben’ireo tandapa, ary koa ireo manamboninahitra sisa rehetran’ny Babilôna.


Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa tamin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron’afo mbamin’ny antsy sy ny tsatokaty famafazana ary ireo lovia madinika.


Tamim-pahatezerana mirehitra no nanapotehany izay rehetra nampirehareha an’i Israely. Nihemotra tsy niditra an-tsehatra Izy teo anatrehan’ny fahavalo. Nandrehitra afom-pahatezerana Izy hamelezana ireo taranak’i Jakôba, ka toa afo miredareda nandevona manodidina.


Tonga toy ny fahavalonay ny Tompo, ka nandripaka an’i Israely; nandripaka ireo lapany rehetra Izy ary nandrodana ireo mandany ka nampitombo sento sy taraina manerana ny vahoakan’i Joda.


Nolavin’ny Tompo ny alitarany, nilaozany ny Toeramasiny, ary natolony ho eo an-tanam-pahavalo ny mandan’ireo lapan’i Tsiôna. Nisy akora lava tao an-tranon’ny TOMPO tahaka ny amin’ny andro fety!


Avy eo kosa hasiako ianao, ka ho tapaka eny an-tananao ankavia ny tsipîkanao ary hianjera avy eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipîkanao.


Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.


Ary hangonin’ny Tompo ny firenen-drehetra hamely an’i Jerosalema; dia azon’ireo ny tanàna, ka horobainy ny trano ary hanaovany an-keriny ny vehivavy; ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna.


Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra