Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina tao Samaria, tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely; ary i Jerôbohama no nitoetra teo amin’ny sezafiandrianan’i Jôasy.
Hosea 1:1 - DIEM PROTESTANTA Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tenin’NY TOMPO, izay tonga tamin’i Hosea, zanak’i Bery, tamin’ny andro nanjakan’i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely. Baiboly Katolika Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy NY tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Hosea, zanak’i Bery, tamin’ny andro nanjakan’i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Isiraely. Malagasy Bible Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely. La Bible en Malgache Ny tenin’NY TOMPO, izay tonga tamin’i Hosea, zanak’i Bery, tamin’ny andro nanjakan’i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely. |
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina tao Samaria, tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely; ary i Jerôbohama no nitoetra teo amin’ny sezafiandrianan’i Jôasy.
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôasy, dia nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely tao Samaria; ary i Jerôbohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Amatsià, zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Joda, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy, ary naharitra 41 taona no nanjakany tao.
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Peka zanakalahin’i Remalià tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôtama zanakalahin’i Hazarià.
Namely ny mpanjaka tamin’ny aretina ny TOMPO; ka tonga boka mandra-pahafatiny izy ary voatery nitoka-monina tao amin’ny trano anankiray. Ka dia i Jôtama, zanany lahy sady efa mpifehy ny tao an-dapa no nitondra ny tany sy ny fanjakana.
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Hazarià, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-Tanànan’i Davida; ary i Jôtama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Feno 25 taona i Jôtama fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany toa Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosà zanakavavin’i Tsadôka.
Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Davida razambeny izy,
Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.
Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaza, zanakalahin’i Jôtama sady zafikelin’i Hozià mpanjakan’i Joda, dia niakatra i Retsîna mpanjakan’i Siria sy i Peka, zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, mba hanafika an’i Jerosalema, kinanjo tsy nahafaka azy.
Nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ireo hafatra ireo, nanomboka ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda,
Tenin’i Hamôsa izay anankiray tamin’ireo mpiompy tao Tekôa. Roa taona talohan’ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an’ireo teny manakiana ny fanjakan’i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozià ary mpanjaka tao Israely i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy.
Teny nampitain’ny TOMPO tamin’i Mikà izay avy any Môreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià. Fahitana no nampahafantaran’ny Tompo azy ny teniny momba ny tanàna Samaria sy Jerosalema.
Tamin’ny volana fahavalon’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidào.
Ary tsy azo foanana ny Soratra Masina; fa ireo olona nanambarana ny tenin’Andriamanitra dia natao hoe «Andriamanitra».
araka ny lazainy ao amin’ny bokin’i Hôsea mpaminany hoe: «Ilay tsy vahoakako dia hantsoiko hoe vahoakako; ary ilay tsy malalako dia hantsoiko hoe malalako.
satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona izay nentanin’ny Fanahy Masina.