Ary nikomy tamin’i Pekahià i Peka dekàny sady zanakalahin’i Remalià, ka nanafika azy mbamin’i Argôba sy Aria tao amin’ny tilikambon’ny tranon’ny mpanjaka; tamin’izay i Peka dia nombàn’ny vatan-dehilahy dimampolo taranaky ny Gilehadita; rehefa avy namono an’i Pekahià ho faty izy, dia nanjaka nandimby azy.
Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.
dia ny Sirianina teo anoloany ary ny Filistinina tao an-damosiny, ka nandrapaka an’i Israely indraim-bava. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
Nividy entana betsaka taminao koa ny Edômita, ka vato emeralda sy lamba miloko volomparasy, lamba vita peta-kofehy sy rongony fotsy madinika ary koa akorandriaka sy vato robisy no natolony ho takalony.
Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely.
Teny nampitain’ny TOMPO tamin’i Mikà izay avy any Môreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià. Fahitana no nampahafantaran’ny Tompo azy ny teniny momba ny tanàna Samaria sy Jerosalema.