Isaia 7:2 - DIEM PROTESTANTA2 Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Dia nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Arameana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary nihovotrovotra ny fony sy ny fon’ny vahoakany, toy ny fihovitrovitry ny hazo any an’ala raha asian’ny rivotra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika2 Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe: «Mitoby any amin’i Efraima i Siria.» Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an’ala, ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Dia nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary niròndròna ny fony sy ny fon’ny vahoakany toy ny firòndrònan’ny hazo any an-ala, raha asian’ny rivotra. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache2 Dia nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Arameana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary nihovotrovotra ny fony sy ny fon’ny vahoakany, toy ny fihovitrovitry ny hazo any an’ala raha asian’ny rivotra. Jereo ny toko |
Rehefa tsapan’ny Israelita tavaratra rehetra fa tsy nankatoavin’ny mpanjaka ny fitakiany, dia hoy ny navalin’ireo hoe: –Tsy manana anjara amin’i Davida isika na manana anjara lova amin’ny zanakalahin’i Jisay. Samia mody any an-tranony avy isika, ry Israelita tavaratra; ary ianao kosa, ry zafikelin’i Davida, karakarao ny fanjakanao! Dia samy nody ho any an-tranony avy ny Israelita tavaratra rehetra.
Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.