Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 28:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Davida razambeny izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Roapolo taona i Ahaza raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema; tsy nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO tahaka an’i Davida rainy izy

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Davida razambeny izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary 20 taona i Akaza fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany teo Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy eo anatrehan’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ROA-POLO taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah tahaka an’i Davida rainy izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i Davida rainy izy,

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 28:1
12 Rohy Ifampitohizana  

i Ahaza zanakalahin’i Jôtama, i Hezekià zanakalahin’i Ahaza, i Manase zanakalahin’i Hezekià,


Niaraka tamin’i Jôsafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran’i Davida razany fahiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala.


Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôtama, tahaka izay nataon’i Hozià rainy, kanefa tsy mba niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO. Saingy mbola niharatsy toetra ihany ny vahoaka.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Jôtama, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida; ary i Ahaza zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Nampietren’ny TOMPO toy izany ny fanjakàn’i Joda noho i Ahaza mpanjakany efa nitaona ny Jodeanina hiala amin’ny TOMPO sy hanimbazimba Azy.


Ary nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hezekià, tahaka izay rehetra nataon’i Davida razambeny.


Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.


Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely.


Teny nampitain’ny TOMPO tamin’i Mikà izay avy any Môreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià. Fahitana no nampahafantaran’ny Tompo azy ny teniny momba ny tanàna Samaria sy Jerosalema.


I Ozià, ray niteraka an’i Jôtama; i Jôtama, ray niteraka an’i Ahaza; i Ahaza, ray niteraka an’i Hezekià.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra