Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 1:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Indray andro dia nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jônà zanakalahin’i Amitahy nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’NY TOMPO hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Indray andro dia nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jônà zanakalahin’i Amitahy nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary tonga tamin’i Jônasy zanak’i Amatì, ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’NY TOMPO hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 1:1
7 Rohy Ifampitohizana  

Izy no namerina indray ny tanin’i Israely hatreo Lebô-Hamata any avaratra ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty any atsimo araka ny nambaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’ny alalan’i Jônà mpaminany zanakalahin’i Amitahy avy any Gata-Hefera.


Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?


Ary nisy baikon’ny TOMPO fanindroany tamin’i Jônà nanao hoe:


Ratsy fanahy sady mpivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha.


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toe-dratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra