Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 1:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Teny nampitain’ny TOMPO tamin’i Mikà izay avy any Môreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià. Fahitana no nampahafantaran’ny Tompo azy ny teniny momba ny tanàna Samaria sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Mika morastita tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’i Joda, dia ilay hitany ny amin’i Samaria sy i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Teny nampitain’ny TOMPO tamin’i Mikà izay avy any Môreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià. Fahitana no nampahafantaran’ny Tompo azy ny teniny momba ny tanàna Samaria sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tenin’i Iaveh natao tamin’i Mikea avy ao Môreseta, tamin’ny andro nanjakan’i Joatana sy i Akaza ary i Ezekiesa, mpanjakan’i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an’i Samaria sy i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 NY tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Mika Morastita tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ny Joda,–dia ilay hitany ny amin’i Samaria sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Morastita tamin'ny andro nanjakan'i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay hitany ny amin'i Samaria sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Mika morastita tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’i Joda, dia ilay hitany ny amin’i Samaria sy i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 1:1
27 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Peka zanakalahin’i Remalià tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôtama zanakalahin’i Hazarià.


Namely ny mpanjaka tamin’ny aretina ny TOMPO; ka tonga boka mandra-pahafatiny izy ary voatery nitoka-monina tao amin’ny trano anankiray. Ka dia i Jôtama, zanany lahy sady efa mpifehy ny tao an-dapa no nitondra ny tany sy ny fanjakana.


Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Peka zanakalahin’i Remalià tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Ahaza zanakalahin’i Jôtama.


Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Hôsea zanakalahin’i Elà tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Hezekià zanakalahin’i Ahaza.


Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Davida razambeny izy,


Feno 25 taona i Hezekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià, zanakavavin’i Zakarià.


Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.


Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: «Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.


Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaza, zanakalahin’i Jôtama sady zafikelin’i Hozià mpanjakan’i Joda, dia niakatra i Retsîna mpanjakan’i Siria sy i Peka, zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, mba hanafika an’i Jerosalema, kinanjo tsy nahafaka azy.


–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»


Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely.


Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely, dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda. Aza mankany Gilgala na miakatra any Bety-Avena ianao; ary aza mianiana hoe: «Velona ny TOMPO...!»


«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.


Tenin’i Hamôsa izay anankiray tamin’ireo mpiompy tao Tekôa. Roa taona talohan’ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an’ireo teny manakiana ny fanjakan’i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozià ary mpanjaka tao Israely i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy.


Lozanareo izay manorina fiadanana amin’i Tsiôna sy mitoky amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo mihevi-teny ho sangany eo amin’ilay firenena malaza indrindra ka hatonin’ny taranak’i Israely!


Nikomy tamin’Andriamanitra ny taranak’i Jakôba, eny, nanota ny vahoakan’i Israely, ka mahatonga izany rehetra izany. Fa iza no nampikomy ny taranak’i Jakôba? Moa tsy i Samaria renivohiny ve? Ary iza no toeram-panasinana ao Joda? Moa tsy i Jerosalema renivohiny ve?


Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.


Izao no hafatra nampitondrain’Andriamanitra an’i Habakòka mpaminany.


satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona izay nentanin’ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra