Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:16 - DIEM PROTESTANTA

Ary rehefa hitan’i Jôsefa fa niaraka tamin’ireo i Benjamîna, dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny ao an-tranony: –Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha nahita an’i Benjamina niaraka tamin’ireo rahalahiny i Josefa dia niteny tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo dia amonoy zavatra ary anamboary sakafo fa hiara-hisakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary rehefa hitan’i Jôsefa fa niaraka tamin’ireo i Benjamîna, dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny ao an-tranony: –Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Vao nahita an’i Benjamina niaraka tamin’izy ireo i Josefa, dia nilaza tamin’ny mpikarakara ny tranony hoe: «Ampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra sy anaovy nahandro, fa hiara-mihinana amiko ireo olona ireo amin’ny mitatao vovonana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josefa, raha nahita an’i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha nahita an’i Benjamina niaraka tamin’ireo rahalahiny i Josefa dia niteny tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo dia amonoy zavatra ary anamboary sakafo fa hiara-hisakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana.

Jereo ny toko



Genesisy 43:16
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly i Abrama hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,


Rehefa lehibe ny zaza, dia nosarahi-nono. Koa nanao fanasana lehibe i Abrahama noho izany.


Dia nanao fanasana ho an’i Abimelèka i Itsehàka, ka nihinana sy nisotro izy.


Ary nanolotra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba ka nanasa ireto havany hiara-misakafo aminy. Ary rehefa avy nisakafo ny besinimaro, dia nandry teo an-tendrombohitra tamin’ny alina.


Notanterahin-dralehilahy ny baikon’i Jôsefa; ary nentiny tany an-tranon’i Jôsefa ireo,


Koa rehefa teo am-baravarana izy ireo, dia nanatona an’ilay mpikarakara ny tao an-tranon’i Jôsefa ka niresaka taminy hoe:


Avy eo i Jôsefa dia nandidy ny mpikarakara ny ao an-tranony hoe: –Fenoy hanina araka izay zakany ny kitapon’ireo lehilahy ireo, dia apetraho ao am-bavan-kitapon’ny tsirairay avy koa ny volany.


Ary rehefa nivoaka ny tanàna izy, ka tsy mbola lasa lavitra akory, dia hoy i Jôsefa tamin’ilay mpikarakara ny ao an-tranony: –Ndeha, enjeho ireny lehilahy ireny, ary tratraro ka anontanio hoe: «Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa?


Novonoiny ireo bibiny, noharoharoiny ny divainy ary namboariny ny latabany.


Ary haka amin’ny mofo sy ny rano ary ny hena izay efa nomaniko ho an’ny mpanety ondriko ve aho, ka hanome izany ho an’olona izay tsy fantatra fiaviana akory!