Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 43:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Koa rehefa teo am-baravarana izy ireo, dia nanatona an’ilay mpikarakara ny tao an-tranon’i Jôsefa ka niresaka taminy hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Rehefa izany dia nanatona an-dRalehilahy izay mpikarakara ny tao an-tranon’i Josefa izy ireo ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Koa rehefa teo am-baravarana izy ireo, dia nanatona an’ilay mpikarakara ny tao an-tranon’i Jôsefa ka niresaka taminy hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Dia nanatona an-dralehilahy mpikarakara ny tranon’i Josefa izy ireo, ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon’i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:19
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly i Abrama hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,


Avy eo dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy, amin’izay dia ho voaporofo fa marina ny teninareo ka tsy ho faty ianareo. Dia nanaiky izany izy,


Ary rehefa hitan’i Jôsefa fa niaraka tamin’ireo i Benjamîna, dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny ao an-tranony: –Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro.


dia raiki-tahotra satria naiditra tao ka nifampilaza hoe: «Noho ilay vola naverina tao anaty kitapom-barintsika teo aloha izay no nampidirana antsika eto mba hahavoa antsika sy hakany ny borikintsika ary hanandevozany ny tenantsika.»


–Aza fady aminao, tompoko! Efa tonga taty indray mandeha izahay teo aloha mba hividy sakafo.


Avy eo i Jôsefa dia nandidy ny mpikarakara ny ao an-tranony hoe: –Fenoy hanina araka izay zakany ny kitapon’ireo lehilahy ireo, dia apetraho ao am-bavan-kitapon’ny tsirairay avy koa ny volany.


–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ilay tanimboaloboka tamin’ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin’ireo nilatsaka farany ka hatramin’ireo nilatsaka voalohany.»


Hoy kosa i Jesoa tamin’ny mpianany: –Nisy mpanankarena anankiray nanana mpitandrim-pananana, izay notorîn’ny olona taminy fa mandanilany foana ny fananany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra