Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 43:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Dia nentin’izy mirahalahy avy ny fanomezana sy ny vola ary koa i Benjamîna; dia niainga izy niara-nidina nankany Ejipta, ka niseho teo anatrehan’i Jôsefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia noentin’ireo lehilahy ireo ny zavatra hatao fanomezana; vola indroa torak’ilay teo koa no noentin’izy ireo teny an-tanany, niaraka tamin’i Benjamina. Dia niainga izy ireo, nidina tany Ejipta ka tonga teo anatrehan’i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Dia nentin’izy mirahalahy avy ny fanomezana sy ny vola ary koa i Benjamîna; dia niainga izy niara-nidina nankany Ejipta, ka niseho teo anatrehan’i Jôsefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Koa nalain’ireo olona ireo izany fanomezana izany, ary nentiny teo an-tanany ny vola avo sasaka, mbamin’i Benjamina, dia niainga izy nidina nankany Ejipta, ary niseho teo anatrehan’i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia nentin’ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin’i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan’i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:15
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony nararak’izy ireo ny tao an-kitapony, dia indro samy am-ponosana tao an-kitapony avy ny volany. Ary rehefa nahita ireo vola voafono toy izany izy mbamin’ny rainy, dia samy raiki-tahotra.


Ka hoy i Jakôba tamin’ireo zanany: –Raha izany àry, dia izao no ataovy: Mitondrà an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an’ilay Ejiptianina. Mitondrà zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, làdana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.


Nony tonga teo amin’ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo,


Nanomana ny fanomezana ireo mandra-piavin’i Jôsefa tamin’ny antoandro, satria efa reny fa hiara-misakafo aminy eo izy.


Ary i Zikrỳ, lehilahy maherifo tamin’ny Efraimita, no namono nahafaty an’i Mahaseia zanakalahin’i Ahaza mpanjaka sy namono nahafaty an’i Hazrikama mpifehy ny tao an-dapa ary namono nahafaty an’i Elkanà izay mpiara-miasa akaiky indrindra tamin’ny mpanjaka.


Maro no mandokadoka ny olona ambony; ary ny besinimaro dia sakaizan’ny mpanome zavatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra