Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 43:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an’i Benjamîna sy i Simehôna hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy hombàn-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindrampo anareo eo anatrehan-dRalehilahy mba hamerenany ny rahalahinareo iray sy i Benjamina. Ary izaho, rehefa tsy hanan-janaka, dia tsy hanan-janaka intsony!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an’i Benjamîna sy i Simehôna hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy hombàn-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy i Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindrampo anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:14
30 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»


Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro


sady hoy koa Izy taminy: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin’ny taranakao.


dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.


Dia nihodina niala teo anatrehany aloha i Jôsefa mba hitomany. Ary niverina teo amin’ireto rahalahiny indray i Jôsefa ka nilaza taminy fa i Simehôna no hotazoniny, sady nafatony teo imason’izy ireo.


Ka hoy i Jakôba rainy taminy: –Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Jôsefa efa tsy eo, i Simehôna koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamîna! Izaho no ianjadian’izany rehetra izany.


Dia ento ny rahalahinareo ary miaingà ka miverena any amin’izany lehilahy izany.


Nosavain-dralehilahy avokoa ny kitapo rehetra nanomboka tamin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra, ka tao amin’ny kitapon’i Benjamîna no nahitana ilay tsangambava.


«Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezrà. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperôra hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;


Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra! Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.


«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin’ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!»


Eny, tsara ny TOMPO: maharitra mandrakizay ny fitiavany ary mahatoky hatrany hatrany Izy.


Izay rehetra namabo ny razanay dia nataony nahay nangoraka azy.


Ho tonga amiko anie, TOMPO ô, ny mari-pitiavanao, dia ny famonjenao araka ny toky nomenao!


Tsy hovelominao indray ve izahay mba hifalianay vahoakanao aminao?


Ohabolan’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely.


Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olona, na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany; manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra, fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany ary naneho indrafo tamin’ny mahantrany.


Ary hamindra fo hatramin’ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy.


Fa novalian’i Pilato hoe: –Izay voasoratro dia voasoratro!


Tsy naharesy lahatra azy izahay fa niala maina ka nilaza hoe: –Hatao anie izay sitraky ny Tompo!


ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.


Kanefa izao no anton’ny namindran’Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon’i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an’izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Mamangy anao aho, ry Timôty, dia ianao izay tena zanako ao amin’ny finoana. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Tompontsika!


Mamangy anao aho, ry Tito, dia ianao izay tena zanako ao amin’ny finoana iombonantsika. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika!


Homba antsika anie ny fahasoavana sy famindrampo amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaky ny Ray, noho isika vonton’ny hafatra marim-pototra sy ny fitiavana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra