Fa hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.
Genesisy 3:19 - DIEM PROTESTANTA Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, mandra-piverinao any amin’ny tany; fa avy amin’ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao ary hiverina ho amin’ny vovoka indray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany. Baiboly Katolika Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.» Baiboly Protestanta Malagasy Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao. Malagasy Bible Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao. La Bible en Malgache Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, mandra-piverinao any amin’ny tany; fa avy amin’ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao ary hiverina ho amin’ny vovoka indray. |
Fa hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.
Ary vovoka avy amin’ny tany no nalain’ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona.
–Vahiny sy mpifindra monina ihany aho eto aminareo. Omeo toeram-pandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny vadiko.
sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.
Tadidio fa notefenao toy ny fanaka tanimanga aho ary haverinao ho amin’ny vovoka indray.
Rehefa mihintsana izao hoditro izao ka ho afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra.
koa mainka fa izay olombelona mora potika toa tanimanga, sady vovo-tany no fiaviany! ka mety voaporitra tahaka ny fositra.
Raha lavinao ny hijery azy, dia mitebiteby izy; raha alainao ny ainy, dia maty izy ka miverina ho vovoka indray.
Sasa-poana ianareo mifoha maraina sy miari-tory, misahirana tokoa ny amin’izay hohanina. Izany kosa dia omen’ny TOMPO an’ireo olon-tiany mbola matory.
Very hery toy ny rano mihanaka aho, ary mivahavaha ny taolako rehetra; toa savoka ny foko ka miempo ato anatiko.
Averinao ho vovoka ny olona ka ilazanao hoe: «Miverena amin’izay niavianareo, rey olombelona.»
Tsy niroa fo tokoa aho nikaroka sy namantatra amim-pahendrena ny zava-drehetra atao etỳ ambonin’ny tany. Asa mafy ampanaovin’Andriamanitra ny olona izany.
Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.
Mitovy avokoa ny fiafaràn’ny mananaina rehetra fa samy hody vovoka izy satria vovoka no nanaovana azy.
Fahoriana lehibe ho azy fa toy ny nahatongavany teto an-tany no handaozany azy. Inona no tombontsoa azony? Nisasa-poana fotsiny izy.
Ary olona marobe izay matory ao amin’ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay.
Ilay olona voalohany dia avy amin’ny tany, ka tany; fa ilay olona faharoa dia avy any an-danitra.
Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana.
Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman’alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra.
Eny, fony tany aminareo izahay, dia namepetra anareo hoe: «Raha misy tsy te hiasa, aoka izy tsy hihinana!»
Tendry ho an’ny olona tokoa ny ho faty indray mandeha, ary avy eo dia hotsarain’Andriamanitra izy;