Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 18:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Fa hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Dia hoy i Abrahama: Indro, sahy miteny amin’ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Fa hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Fa hoy indray i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 18:27
18 Rohy Ifampitohizana  

Angamba tsy ampy dimampolo ny olo-marina fa latsaka dimy, dia horavanao ve ny tanàna manontolo noho ny amin’ny dimy? Ka namaly ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao!


Ary vovoka avy amin’ny tany no nalain’ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona.


Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.


ka nivavaka nanao hoe: –Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay loatra aho; ka tsy sahiko ny miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô, satria efa nihamaro sady niavosa mihoatra ny lohanay ny helokay ary lehibe manakatra ny lanitra ny fahotanay.


Nazerany tao amin’ny fotaka aho ka naetriny toy ny vovoka aman-davenona.


koa mainka fa izay olombelona mora potika toa tanimanga, sady vovo-tany no fiaviany! ka mety voaporitra tahaka ny fositra.


TOMPO ô, mba inona moa ny olombelona no ahînao sy izay zanak’olombelona no karakarainao?


Raha jereko ny lanitra asan-tananao sy ny volana aman-kintana napetrakao eny,


Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe: –TOMPO ô, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta?


Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


TOMPO ô, aza vinitra loatra aminay ary aza tsarovana hatrany ny helokay; mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.


Nanaovan’i Jesoa fanoharana avy eo ny mpianany hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana.


Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa nanao hoe: –Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra