Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 1:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Miasa mafy ny olona etỳ ambonin’ny tany, nefa tsy misy voka-tsoa azony amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Inona moa no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany etỳ ambanin’ny masoandro?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Miasa mafy ny olona etỳ ambonin’ny tany, nefa tsy misy voka-tsoa azony amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Inona no soa azon’ny olona, amin’ny fisasarana rehetra ikezahany atỳ ambany masoandro?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Inona no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ny masoandro?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Inona moa no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany etỳ ambanin’ny masoandro?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 1:3
23 Rohy Ifampitohizana  

Natrehiko nodinihina ny asa rehetra nataoko sy ny fisasarako tamin’ny fanatontosana azy. Tsapako fa zava-poana sy manenji-drivotra izany rehetra izany; ary tsy misy voka-tsoa maharitra azo amin’izany etỳ ambonin’ny tany.


Halako ny fisasarana rehetra nataoko tetỳ ambonin’ny tany, satria izay rehetra vitako dia tsy maintsy havelako ho an’ny mpandimby ahy.


Iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa dia ho eo am-pelatanany avokoa izay rehetra nisasarako sy nataoko tamim-pahendrena tetỳ ambonin’ny tany. Zava-poana koa izany.


Koa araka izany, inona no tombontsoa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny ezaka ataony etỳ ambonin’ny tany?


Inona no tombontsoa azon’ny mpiasa amin’izay isasarany?


Nefa sambatra kokoa noho izy roa tonta ireo aza ny tsy mbola àry akory, satria tsy hahita ny asa ratsy atao eto ambonin’ny tany.


Ary izao koa no zava-poana hitako tetỳ ambonin’ny tany:


Ankoatra izany, maloka ny fiainany manontolo noho ny alahelo be sy ny fahasorenana ary ny fijaliana.


Rehefa misy olona omen’Andriamanitra vola aman-karena sady avelany hihinana sy haka ny anjarany amin’izany ary koa hifaly amin’ny vokatry ny asany, dia fanomezan’Andriamanitra izany.


Mamakivaky ny fiainana toy ny fihelin’ny aloka ny olona. Iza no mahafantatra izay mahasoa ny olona amin’izao fiainana izao mandritra ny fotoana fohy iainany? Tsy misy hahalaza amin’ny olona izay zavatra hitranga eto ambonin’ny tany aorian’ny fahalasanany.


Tsara tahaka ny lova ny fahendrena ka mahasoa ny olon-drehetra.


Izao koa no oha-pahendrena hitako teto ambonin’ny tany; ary zava-dehibe amiko izany.


Mitovy avokoa ny manjo ny olona rehetra: io no loza amin’izay rehetra atao eto ambonin’ny tany. Feno faharatsiana ny fon’ny olona ka fahadalana no ao aminy mandritra ny fiainany; avy eo anefa dia ho any amin’ny maty no hiafarany.


Ka na ny fitiavany na ny fankahalany na ny fialonany dia samy efa levona hatry ny ela; ka tsy manana anjara intsony amin’izay zavatra atao etỳ ambonin’ny tany izy.


Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay sakafo tsy tena mahavoky? Nahoana ianareo no misahirana amin’ny zavatra tsy mahafa-po? Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo ary ho finaritra amin’ny sakafo mafilotra.


Koa hiafara amin’ny afo ny asan’ireo vahoaka; ary zava-poana no isasaran’ireo firenena. Tsy ilay TOMPOn’izao rehetra izao ve no iavian’izany zavatra izany?


Atao inona moa ny sarin-tsampy? Sary sikotry ny mpahay taozavatra ihany ireny na metaly narendrika hampianatra lainga! Nahoana ny olona no matoky izay zavatra noforoniny ihany, tamin’ny nanaovany sampy moana?


Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Ary inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny ainy?


Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no efa nasian’Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.


mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny mbamin’izay rehetra miara-miasa sy miara-misasatra aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra