Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitoriteny 1:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Hoy i Kôheleta hoe: «Zava-poana dia zava-poana izao rehetra izao, eny, zava-poana ny zava-drehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Tena zava-poana, hoy i Mpitoriteny, tena zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Hoy i Kôheleta hoe: «Zava-poana dia zava-poana izao rehetra izao, eny, zava-poana ny zava-drehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitory teny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 1:2
23 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izay ny olona tsy ampiampy saina aza dia mety hahazo fahendrena indray na dia toetram-borikidia aza izy fony vao teraka.


Fa ny olombelona toa tsio-drivotra ihany; ny androm-piainany toa aloka mihelina.


TOMPO ô, mbola ho ela ve no hiafenanao? Mandra-pahoviana ny fahatezeranao no mbola hirehitra tahaka ny afo?


Halaviro izay mety hampalahelo sy hampaharary, fa ny fahatanorana sy ny hery dia mihelina samy zava-poana.


Na dia ela velona aza ny olona, dia tokony hifaly amin’ny taona tsirairay omena azy. Nefa aoka hotsarovany fa ho maro ny andro manjombona, satria izay rehetra ho avy dia zava-poana.


Zava-poana ny zava-drehetra, hoy i Kôheleta; eny, zava-poana dia zava-poana izany.


Natrehiko nodinihina ny asa rehetra nataoko sy ny fisasarako tamin’ny fanatontosana azy. Tsapako fa zava-poana sy manenji-drivotra izany rehetra izany; ary tsy misy voka-tsoa maharitra azo amin’izany etỳ ambonin’ny tany.


Dia hoy aho anakampoko: «Satria ny hanjo ny adala ihany no hanjo ahy, inona no tombontsoako amin’ny maha hendry ahy kokoa noho izy?» Ka hoy aho anakampoko: «Zava-poana koa izany».


Koa halako ny miaina, satria ratsy no fahitàko ny asa atao etỳ ambonin’ny tany; fa zava-poana sy manenji-drivotra izany rehetra izany.


Iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa dia ho eo am-pelatanany avokoa izay rehetra nisasarako sy nataoko tamim-pahendrena tetỳ ambonin’ny tany. Zava-poana koa izany.


Misy manko olona izay nisasatra niasa tamim-pahakingana sy tamim-pahaizana ary tamim-pahombiazana, kanefa dia olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory ny no tsy maintsy hamelany azy ho lova. Zava-poana koa izany, ary tsy rariny goavana.


Fanaintainana sy fahasorenana no ateraky ny asany mandritra ny andro rehetra iainany; ary, na dia amin’ny alina aza, dia tsy miala sasatra ny sainy. Zava-poana koa izany!


Eny, izay olona sitrak’Andriamanitra no omeny fahakingana sy ny fahaizana ary ny fifaliana. Fa izay mpanota kosa dia asainy manangona sy mamory mba hisy homeny an’izay sitrak’Andriamanitra. Mbola zava-poana sy manenji-drivotra koa izany.


ary nahangom-bolamena amam-bolafotsy izay fananan’ireo mpanjaka mbamin’ny faritany samy hafa. Mpihira lahy sy vavy maro no azoko hanala sorisory ahy; ary azoko izay mahafinaritra ny lehilahy, dia vady sy vaditsindrano betsaka.


Mitovy amin’ny fiafaran’ny biby ihany ny fiafaran’ny olona. Fofonaina mitovy no mamelona ny olona sy ny biby ka tsy maintsy ho faty izy roa tonta. Tsy manana hamboniana eo anatrehan’ny biby ny olona, satria zava-poana ny zava-drehetra.


Nahatarika olona maro izy. Nefa ireo taranaka atỳ aoriana dia tsy ho faly aminy, satria mbola zava-poana sy manenji-drivotra koa izany.


Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin’ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.


indro lehilahy iray mitoetra irery tokoa tsisy namana na rahalahy na zanaka ary nisasatra mafy. Naniry hanan-karena betsaka izy ka nanao anakampo hoe: «Ho an’iza no isasarako sy tsy ahatsiarovako fahasambarana?» Zava-poana sy raharaha ratsy koa izany.


Fa arakaraka ny ananan’ny olona no mampitombo ny mpihampitra aminy. Inona no tombontsoan’ny tompom-pananana afa-tsy ny mijery ny hareny?


Fa arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny zava-poana. Koa inona no soa azon’ny olona amin’izany?


Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra