Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 3:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, izany hoe Aina, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary nataon-dRalehilahy hoe Eva ny anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, izany hoe Aina, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary nataon-dRalehilahy hoe Eva ny anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 3:20
14 Rohy Ifampitohizana  

Indro efa bevohòka ianao, ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataonao hoe Jismahela, satria nohenoin’ny TOMPO ny fitarainanao.


Dia nomen-draolombelona anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny bibidia rehetra, kanefa tsy hitany izay mpanampy sahaza azy.


Tamin’izay dia hoy raolombelona hoe: «Ity ahay mba mitovy amiko, fa taolana avy amin’ny taolako ity sady nofo avy amin’ny nofoko; hatao hoe vehivavy ity, satria lehilahy no nanalana azy.»


Ary ny TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.


Teo am-pialana aina rehefa ho faty izy, dia nataony hoe Bèna-Ony na zanaky ny fahoriako ny anaran’ny zaza; fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamîna na zanaky ny tanan-kavanana.


ary ny anarany nataony hoe Noà, fa hoy izy hoe: –Ity no hampionona anay amin’ny asa mafy sy ny fahasahirananay noho ny nanozonan’ny TOMPO ny tany.


Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe: –Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin’ny rano nisarihako azy.


Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin’ny fahotany.


«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).


Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.


Saingy atahorako fandrao hihasimba ny toe-tsainareo, ka hilaozanareo ny firaiketam-po mahitsy sy madio amin’i Kristy, tahaka ny nahavoafitaka an’i Eva tamin’ny lainga tsara lahatra nataon’ny bibilava.


satria i Adama no ary voalohany vao i Eva;


Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe: –Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin’ny TOMPO izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra