Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 3:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ary ny TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary NY TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ary ny TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Nanaovan’i Iaveh Andriamanitra akanjo hoditra i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary NY TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 3:21
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, izany hoe Aina, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.


Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Indro ny olombelona fa efa tonga tahaka ny iray amintsika momba ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy; koa ankehitriny, aoka izy tsy haninjitra ny tanany haka ny voan’ny hazon’aina ka hihinana amin’izany, dia ho velona mandrakizay!»


Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin’aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy.


Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.


fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin’ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony.


ireo zavatra anisan’ny tena heverintsika ho kely voninahitra kokoa no omentsika voninahitra kokoa; ary ny tsy misy haja amin’ny zavatra anisan’ny tenantsika no hajaintsika kokoa;


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra