Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 3:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Indro ny olombelona fa efa tonga tahaka ny iray amintsika momba ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy; koa ankehitriny, aoka izy tsy haninjitra ny tanany haka ny voan’ny hazon’aina ka hihinana amin’izany, dia ho velona mandrakizay!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary hoy NY TOMPO Andriamanitra: Indro, tonga tahaka ny iray Amintsika ny olona ka mahalala ny tsara sy ny ratsy. Ankehitriny, fandrao hanatsotra ny tanany izy ka hanalany hihinanany koa ny hazon’aina dia ho velona mandrakizay izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Indro ny olombelona fa efa tonga tahaka ny iray amintsika momba ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy; koa ankehitriny, aoka izy tsy haninjitra ny tanany haka ny voan’ny hazon’aina ka hihinana amin’izany, dia ho velona mandrakizay!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy, ka hakany koa ny hazon’aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary hoy NY TOMPO Andriamanitra: Indro, tonga tahaka ny iray Amintsika ny olona ka mahalala ny tsara sy ny ratsy. Ankehitriny, fandrao hanatsotra ny tanany izy ka hanalany hihinanany koa ny hazon’aina dia ho velona mandrakizay izy!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 3:22
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika sy manahaka antsika; ary aoka hanjakany ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra, ny biby fiompy sy bibidia rehetra eto an-tany ary koa ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany!»


Nampaniry karazan-kazo tsara tarehy fihinam-boa teo amin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra, ka nataony teo afovoan’ny zaridaina ny hazon’aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.


Ary ny TOMPO Andriamanitra nanamboatra akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.


Noho izany, dia noroahin’ny TOMPO Andriamanitra hiala tao an-jaridainan’i Hedena ny olombelona mba handeha hiasa ny tany izay nanalàna azy.


Saingy fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ary ho tonga tahaka an’Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.


Tompo ô, Ianao no ahazoako midera Anao rehefa tafangona maro ny vahoakanao; eo anatrehan’ireo mpanaja Anao no hanefako ny voadiko taminao.


Hazon’aina sy fahasambarana ny fahendrena ho an’izay mitana azy sy mifikitra aminy.


Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana! «Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana izay ao amin’ny sahan’Andriamanitra.» –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna:


Sambatra izay manasa ny akanjony, mba ho afa-mihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana sy ho afa-miditra amin’ny vavahady mankao amin’ilay tanàna.


Teo anelanelan’ny lalamben’ny tanàna etsy an-kilany ary ny ony etsy an-daniny, dia nisy hazo anankiray manome fiainana: io hazo io dia mamoa voa in-12 isan-taona, izany hoe indray mandeha isam-bolana; ary ny raviny dia hanasitranana ny firenena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra