Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 3:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Noho izany, dia noroahin’ny TOMPO Andriamanitra hiala tao an-jaridainan’i Hedena ny olombelona mba handeha hiasa ny tany izay nanalàna azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Dia noroahin’NY TOMPO Andriamanitra tao amin’ny saha Edena izy ireo mba hiasa ny tany izay nanalana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Noho izany, dia noroahin’ny TOMPO Andriamanitra hiala tao an-jaridainan’i Hedena ny olombelona mba handeha hiasa ny tany izay nanalàna azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Dia navoakan’i Iaveh Andriamanitra hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 ka dia nesorin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Dia noroahin’NY TOMPO Andriamanitra tao amin’ny saha Edena izy ireo mba hiasa ny tany izay nanalana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 3:23
10 Rohy Ifampitohizana  

dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany.


Ary vovoka avy amin’ny tany no nalain’ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona.


Avy eo dia novolen’ny TOMPO Andriamanitra zaridaina tao Hedena, tany atsinanana, mba hametrahany an-draolombelona izay namboariny.


Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.


Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Indro ny olombelona fa efa tonga tahaka ny iray amintsika momba ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy; koa ankehitriny, aoka izy tsy haninjitra ny tanany haka ny voan’ny hazon’aina ka hihinana amin’izany, dia ho velona mandrakizay!»


Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.


Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.


Dia mbola niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry ondry, fa i Kaina kosa mpamboly.


I Noà no mpiasa tany voalohany namboly voaloboka.


Izay tia vola dia tsy ho afa-po mihitsy; ary izay tia harena dia tsy ho vokin’izany mihitsy. Zava-poana koa izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra