Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 3:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Fa tsilo sy songosongo no hovokarin’ny tany ho anao; ary anana no hohaninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Haniry tsilo sy songosongo ho anao ny tany ary ny anana eny an-tsaha no hohaninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Fa tsilo sy songosongo no hovokarin’ny tany ho anao; ary anana no hohaninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Haniry tsilo sy songosongo ho anao ny tany ary ny anana eny an-tsaha no hohaninao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 3:18
20 Rohy Ifampitohizana  

Farany ralehilahy na i Adama dia nilazan’ny TOMPO Andriamanitra hoe: –Satria nihaino ny feom-badinao ianao ka nihinana tamin’ny voan-kazo izay efa nandrarako anao tsy hohanina, dia voaozona ny tany noho ny fahadisoanao; tsy maintsy hiasa mafy ianao mba hahazoanao hanina mandritra ny andro rehetra hiainanao.


Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’ny tany izay nanalana anao. Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany.


sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.


dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny varimbazaha ary ny ahi-dratsy no hirobona hisolo ny ôrza! Tapitra ny tenin’i Jôba.


Fa ny noana anie no hihinana izay nojinjainy; ka halainy izany na dia voafefy tsilo aza; ary ny sahirana anie no ho tompon’ny hareny!»


fahazavana no lamba ifonosanao. Mamelatra ny lanitra ho toa tranolay Ianao


Averinao ho vovoka ny olona ka ilazanao hoe: «Miverena amin’izay niavianareo, rey olombelona.»


Feno tsilo sy fandrika ny lalan’ny ratsy fanahy; koa izay te hiaro ny ainy dia manalavitra izany.


Indro tsilo sy ahidratsy sisa no hitako hatraiza hatraiza; ary ny fefy vato manodidina dia nirodana.


malahelova amin’ny tanin’ny vahoakako izay rakotry ny kirihitra tsilo; eny, malahelova tokoa ianareo; ny amin’ny korana fanao isan-trano eto amin’ity tanàna revon-danonana ity.


Hataoko tany lava volo ilay voaloboko ka tsy hisy hanety sy hiava azy intsony, fa tsilo sy songosongo no hitsiry eo; ary horarako mafy ny rahona tsy handatsaka ranonorana aminy.»


Amin’izany andro izany koa ny saha rehetra nisy voaloboka arivo fototra izay mitentina volafotsy arivo dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.


Koa ho tonga hihaza ao ny olona miaraka amin’ny tsipîka sy ny zana-tsipîka. Izany tany manontolo izany tokoa dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.


Vary no nafafinareo nefa tsilo no jinjainareo. Nisahirana mafy ny tenanareo fa tsy nisy tombontsoa akory izany. Aoka ho menatra ianareo amin’ny vokatra azonareo! Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no mirehitra mamely anareo.


Izao no lazain’ny TOMPO amin’ny olon’i Joda sy ireo mponin’i Jerosalema: Miasà tanimboly vaovao ianareo, fa aza mamafy amin’ny tany misy tsilo!


Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; dia nitombo ny tsilo ary voageja ny tsimoka.


Misy manana finoana matotra ka mihinana ny zavatra rehetra; misy kosa malemy finoana ka tsy mihinana afa-tsy zavamaniry.


Fa izay tany maniry tsilo sy songosongo kosa dia tsy misy antony sady efa hiharan’ny ozon’Andriamanitra; ary hodorana no hiafarany.


dia fantaro tsara fa tsy hanohy handroaka azy eo anoloanareo intsony ny TOMPO Andriamanitrareo. Hanjary fandrika sy tonta ho anareo ireny firenena ireny, ary ho karavasy mamely eo an-damosinareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo ambara-pahalany ritra anareo tsy ho eto amin’ity tany soa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra