Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 12:15 - DIEM PROTESTANTA

Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin’ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan’ny Farao ilay ramatoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nahita azy koa ireo tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia noentina tao an-tranon’i Farao izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin’ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan’ny Farao ilay ramatoa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony nahita azy ny lehibe ao amin’i Faraôna dia nataony laza masaka tamin’i Faraôna izy: ary nalaina ho ao an-dapan’i Faraôna ravehivavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nahita azy ny tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia nentina tao an-tranon’i Farao izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nahita azy koa ireo tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia noentina tao an-tranon’i Farao izy.

Jereo ny toko



Genesisy 12:15
18 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.


Nolazain’i Abrahama fa anabaviny i Sarà vadiny; koa naniraka haka an’i Sarà i Abimelèka, mpanjakan’i Gerara.


Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.


Tezitra mafy tamin’ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao,


Ary nony afaka roa taona teo, dia nanonofy ny Farao: Nijoro teo amoron’i Neily hono izy,


Tonga vinantolahin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta i Salômôna tamin’ny nanambadiany ny zanany vavy. Nentiny nankany an-tanànan’i Davida ny vadiny mandra-pahavita ny lapany sy ny tranon’ny TOMPO ary ny manda manodidina an’i Jerosalema.


I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan’izay mitehina aminy io ve? Fa toy izany ny Farao mpanjakan’i Ejipta amin’izay rehetra matoky azy!


Katsaho ny TOMPO mahery, tadiavo lalandava ny fanatrehany.


Henon’ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan’ny fantsakana.


Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy.


Raha mihaino lainga ny mpitondra, ho tonga ratsy avokoa ny olom-peheziny.


Dia toy izany fa tsy hieren-doza izay mandry amin’ny vadin’ny namany.


Dia tonga ny anjaran’ny firenen-kafa: –Ny Farao mpanjakan’i Ejipta sy ireo tandapany ary ny mpifehiny mbamin’ny vahoakany rehetra,


Fa ny Farao mpanjakan’i Ejipta kosa dia omeo anaram-bosotra hoe: «Rabetabataba tsy misy vokany.»


«Ry ilay taranak’olombelona, hirao ity hira fisaonana ny amin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta ity ka ambarao aminy hoe: ‹Tahaka ny liona tanora ianao teo anivon’ireo firenena. Nefa toy ny fanano ao anaty ranobe koa ianao ka nikofokofoka teny amin’ny oninao; nakobankobanao tamin’ny tongotrao ny rano ka izany no nandotoanao ny fikorianany.


Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin’olona.